Voakinan’ireo namany ho tsy mahafehy ny fomba fitantanana ny fivoriana eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly tao anatin’ny fivoriana nitambarambe nandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana hatramin’ny faran’ny volana mey ho avy izao ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritanin’Antananarivo, ny CT Razafiandriambelo Njato Harinony izay misolo toerana vonjimaika ny filoha Mamy Rakotoarivelo noho ny tsy fahasalamany. Teo amin’ny famadihany ny fanapahan-kevitra farany sy ny fakana fanapahan-kevitra mialoha noho ny fisian’ny “amendement” nataon’ireo CT no nitrangan’izany fanakianana izany ary nahitsihitsy toy ny mahazatra ohatra ny CT Voninahitsy Jean Eugène tamin’izany fanakianana izany ary tsy izy irery fa nisy maromaro mihitsy. Na izany aza dia lany tamin’ny tsangan-tanana 115 nanaiky ilay volavolam-pandaharam-potoana raha 1 no tsy nilaza ny heviny (42 moa no nananga-tanana taorian’izay fa hasiana fifidianana ny fanitsiana nataon-dry zareo raha 72 no tsy nankasitraka izany).
Andrasan’ireo CT fatratra ao anatin’ity fandaharam-potoana ity ny fiakaran’ireo ministry ny governemanta tsirairay (manomboka ny 10 mey) ho hadininy eny amin’ity Lapa ity mikasika ny raha manahirana eto amin’ny firenena ankehitriny. Anisan’ny nangatahan’ireo CT manokana koa ny hiakaran’ny Jeneraly Ravalomanana Richard manokana eny amin’ity Lapa ity miaraka amin’ny ministry ny fiarovam-pirenena noho ny tsy fandriampahalemana mavaivay eto amin’ny firenena. Amin’ny alatsinainy 7 mey no hanomboka ny asam-boamiera isan-tokony ka asa na mbola hangadihady toy ny omaly koa ny toeram-pivoriana ???
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.