Manomboka miteraka resabe sy adihevitra etsy sy eroa indray ankehitriny ny fitsarana ny profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy amin'ny alatsinainy 19 martsa ho avy izao, indrindra fa taorian'ny fanehoan-kevitry ny Maitre Willy Razafinjatovo tetsy amin’ny La Rotonde Besarety, omaly maraina.
Amin'ity mpisolovava ity mantsy dia tsy mitombina no sady tsy ara-dalàna ny fitsarana ny profesora, satria voasoratra mazava ao anatin'ny tondrozotra, fa ilaina ny fametrahana ny fitoniana eto amin'ny firenena, ka anisan'ny fepetra tafiditra ao anatin'izany ny fampitsaharana ireo raharaham-pitsarana misy loko politika rehetra. Nambara moa fa hoe : niray tsikombakomba tamina manamboninahitra nikomy sy nikasa ny hanongam-panjakana, ny profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy ka nanohintohina ny filaminana anatiny. Tsy mampino fa olona manampahaizana sy be traikefa ary mahalala tsara ny lalàna tahaka ireny, no hiditra amin'ny zavatra tahaka izany, hoy ny Maitre Olala, omaly.
Nomarihany ihany koa fa manaraka akaiky ity raharaha ity ny sehatra iraisam-pirenena satria olona manana ny maha izy azy, ny profesora Raymond Ranjeva, izay filoha lefitry ny fitsarana iraisam-pirenena teo aloha, ary mpanolotsaina ny Papa Ray Masina Benoit XVI, amin'ny lafiny filaminana sy fandriampahalemana ihany koa. Midika izany fa tena ho sarotra ny hamingana na hanampim-bava na hanapotika azy, ary vao mainka aza hampitombo fahavalo ny FAT raha managadra ity profesora ity. Raha ny tokony ho izy, tsy misy intsony ny fitsarana misy ambadika politika, saingy io iaraha-mahita io ny zava-misy, izay toa manaporofo hatrany fa misy vondron'olona tsy marisika ny hitonian'ny firenena mihitsy eto. Na ahoana na ahoana fomba filazan'ny SMM azy, dia mazava ny resaka fa mbola atao fitaovana politika ny fitsarana eto amintsika. Araka ny tsiliantsofina re moa, dia toa hoe mpitsara akaikin-dRtoa minisitry ny fitsarana no mety hitsara ny profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy amin'io alatsinainy io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.