Politique

Ravoninjatovo Fidimalala Leo ny fanaovana politika eto


  • Alarobia 04 Jolay 2012

Anisan’ireo Kaominina tsy dia handrenesam-peo firy ny Kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova raha oharina amin’ireo Kaominina sasany ivelan’ny renivohitra.

 Miaina anaty fahanginana ny Ben’ny tanàna Ravoninjatovo Fidimalala noho izy leo ny fanaovana politika eto amintsika, araka ny nambarany. Mijanona ho tsy miandany hatrany ihany koa ny tenany. Tsy miandany amin’ny an-daniny na ny an-kilany saingy tsy maintsy miteny kosa rehefa misy zavatra tsy miteny ary mampirisika sy manao izay hiezahan’ny hafa raha mety ny ataony. Efa 52 taona aty aorian’ny nahazoana ny fahaleovantena isika saingy tsy mbola avotra foana amin’ny fanaovana politika, hoy ihany ity Ben’ny tanàna ity. Vahaolana arosony, araka izany ny hananganana antoko politika miisa telo na dimy hiarahana amin’ny vahoaka.

Ny vahoaka no mandray anjara mivantana amin’izany hanafoanana ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanonganam-panjakana ary ny fidinana an-dalambe izay miteraka hatrany izao krizy misy eto amintsika izao, hoy ihany ity Ben’ny tanàna ity. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy hita taratra eto amintsika intsony ny fiainam-piarahamonina mirindra satria tsy fantatry ny mpitondra intsony izany. Tokony hohafainganina ny fananganana fanjakana tena izy noho izany, hoy ihany ity Ben’ny tanàna ity satria ny vahoaka no tena tompon’ny fahefana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT