Naneho ny fahitany ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Raveloson Louis de Gonzague ka nilazany ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao. T
sy tokony hanao politika raha tsy manam-bola satria na manana foto-kevitra sy vinam-piarahamonina aza ka tsy hanana ny vola dia tsy ho lany mihitsy. Efa zarin’ireo mpanao politika mpanam-bola amina tambitamby isan-karazany toy ny sakafo, fitaovana, vola, vary, menaka… ny vahoaka dia lasa tsy any amin’ilay fampandrosoana no banjinina fa lasa mijery fotsiny fa tsy mitsinjo ny ampitso. Izay mpanao politika mandany betsaka no mahazo be, hoy izy. Nibaribary izany nandritra ny fifidianana farany teo. Raha ny fitiavan’ny olona ny fikambanany dia betsaka ny olona no nitia fa rehefa voatambitamby tamin’ny vola satria voatolotra isan’andro dia adino ny fotokevitra hijoroana. Fatiantoka goavana ho an’ny Malagasy io satria ny teo ihany no teo. Lasa manao « devoir » tahaka ny teo aloha ihany ireo lany fa tsy ilay fitiavan-tanindrazana no mipoitra avy ao anatiny fa ilay vola no nametraka azy teo dia mitady vola ho any anaty paosiny sy ny fianakaviany, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.