Mivoitra ao anatin’ny lalàm-pifidianana ny fanakanana an-kolaka an’i Marc Ravalomanana tsy ho kandida filoham-pirenena. Tsy dia ny lalàna loatra, fa ny fanitrikitrihana efa nataon-dry Rivo Rakotovao efa hatry ny ela hoe:
ho an’izay efa nomelohina dia tsy afaka mirotsaka, hoy ny Filohan’ny KMMR (Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana) Atoa Raveloson Constant tamin’ny fakana ny heviny momba ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ny minisitra aza nanitrikitrika, fa na dia fitsaran’ny fanonganam-panjakana aza dia ekena foana ihany hoe tena fitsarana. Tsy hidirana lalina akory ny resaka lalàna hoe: tsy fitsarana mahefa sy tsy mahatapaka ny momba an’i Marc Ravalomanana iny fitsarana iny, izy mbola tsy nahazo fampahafantarana (notification), mbola afaka mampiakatra ny raharaha,… Fanontaniana napetrany ny hoe: Eto amin’ny tanintsika ve izany dia izay manongam-panjakana dia mahazo manery any amin’ny fahaverezana izay naongany ary dia ekena sy ankatoavin’izay mpandimby tokoa fa ny fanonganam-panjakana dia masina eto amin’ny tany sy firenena ?
Manohana amin’ny lafiny rehetra an-dRavalomanana
Ny anjaranay amin’ny KMMR, dia manarato, manao izay hahazoana mifandray sy miara-miasa na amin’iza na iza manana anjara biriky azo hoentina amin’ny fanalana ny tany sy ny firenena amin’izao fahoriana mahazo ny Malagasy izao, hoy ny Filohany Raveloson Constant tamin’ny fakam-baovao natao taminy omaly. Tsy izao vao hamoromporona hoe amin’ny 2030 na fisandratana tsy fantatra sy tsy hita izay votoatiny, ka tsy zavatra tefitefena sy foromporonina tahaka izany io satria ny olona efa mahita sy mahalala ny efa nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana, izay nokatsanana tamin’ny fanonganam-panjakana, hoy izy. Rehefa ho avy ny fotoana, dia raisina an-tanan-droa ny fanoloran-tenan’ny olona toy ny hoe : misy ny olona vonona hanonta peta-drindrina, hanohana ara-pitaovana,… izany hoe tsy ara-bola ihany fa amin’ny lafiny rehetra, ka izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary, hoy izy. Voaresaky ny tolo-dalàn’ny fifidianana ny hisian’ny fanaraha-maso ara-bola, vaomiera miaraka amin’ny manam-pahaizana momba ny fanaraha-maso ny toe-bola,… Ny fitondrana no manendry anio, ka aiza izany ny fahaleovantenan’io kaomisionina io? Ny olona ao anaty fitondrana na tohanan’ny fitondrana no atahorana mafy dia mafy satria fahazaran-dratsy raikitra teto amintsika mihitsy ny fampiasana ny fahefam-panjakana, fitaovam-panjakana, mpiasam-panjakana, volam-panjakana ho amin’ny fifidianana bontolo rehefa mirotsaka kandida. Mila atao mahaleotena io vaomiera hanaraha-maso ara-bola, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.