Anaovan’ny FAT angoatenda ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena, isak’izay handray fanapahan-kevitra na koa hanarontsaronana ny paipaika politika ataony.
Efa mankalilo sofina ny mandre io tanisa io, ka dia nitondra valin-kafatra i Constant Raveloson omaly, nandritra ny fandraisam-pitenenany tao amin’ny Magro. Nampahatsiahivany fa tany misy fanjakana izao no tombontsoa ambonin’ny firenena, toy izany koa ny fandriampahalemana… Koa raha mbola manangana ady amin’i Marc Ravalomanana no atao lahasa eto dia hanome vahana ny tsy fandriampahalemana, hoy izy. Toa teny an’eso ihany no nilazan’i Constant fa milaza tombontsoa ambonin’ny firenena ny FAT nefa tsy mahavita mampihodina ny raharaham-panjakana toy ny fahasalamana sy ny fanabeazana akory.
Ny tombontsoa ambonin’ny firenena izao dia ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, hoy i Constant, koa handeha amin’ny herintsika rehetra isika mba hahavanona io fihaonana io. Nampiomana ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana izy, fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena manaraka dia ny fifidianana. Ny azy koa no nataony tonga aloha, manoloana ny fihetsika feno amboletra ataon’ny FAT, ka nanamafisany indray fa “rehefa tsy marimaritra iraisana, tsy teny ifampierana dia misintaka foana izahay (ankolafy Ravalomanana), tombontsoa ambonin’ny firenena ny fisintahana ankehitriny fa tsy kitefitefy fifidianana na fihavanana”. Nambarany fa fanohizana tetezamita mitanila nalaina an-keriny tamin’ny martsa 2009 izao no mitohy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.