Samy manana ny fandikany iny zava-nisy tamin’ny sabotsy iny ny rehetra.
Ho an-dRaveloson Constant dia teo ny fisolokiana fahefana, ny famadihan-tanindrazana. Nanafaingana ny raharaha teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa anefa ireny hadalan’ny FAT ireny, raha ny fanazavany. Ny tsotra indrindra, hoy izy, tamin’iny sabotsy iny dia navela niditra nalalaka sy nilamina ny filoha ka ilay jeneraly mikasa hisambotra azy no anisan’ny hanao porizenitra sy hanatitra ny filoha any amin’izay honenany. Nalamin’ny samy mpanao politika ny raharaha avy eo. Lian’ady anefa ilay be galona, hoy ihany ity mpanao politika ity, ka ny vahoaka indray izao no lasa fahavalony. Tsara amin’ity jeneraly ity, hoy i Constant, ny halefa misedra ny dahalo dia iaraha-mahita eo ny tena fahaizany ary amin’izay dia hisondrotra grady indray izy. Ny zava-misy, hoy ihany Raveloson Constant dia «tsy ampy ilay mpivaro-dronono ilay be kintana». Raha ny fanazavan’i Constant Raveloson ihany dia efa tsy misy intsony izany FAT izany nanomboka ny 17 septambra 2011, andro nanaovana sonia iny sori-dalana iny. Fanontaniana no napetrany ny amin’izay fahefana nahazoan’ny filohan’ny FAT manidy sisintany.
Amin’ny maha fanjakana ny fanjakana, hoy izy dia adidinay parlemantera ny manadina an-dRajoelina ny amin’izany sy ny fampiasana ny AV7 mandrahona sy mihevitra azy ho tompon’ny fitsarana. Na izany aza dia nisaotra an-dRajoelina sy Richard Ravalomanana i Constant satria nisy fotoana toa matin-kenamaso ny Troika, hoy izy kanefa izao dia hitam-poko hitam-pirenena. Noho ny nataon’ireo olona roa voalaza ireo, hoy izy dia nihafaingana ny raharaha. Anjaran’ny Troika aloha izao fa avy eo kosa dia an’ny Malagasy samy Malagasy. Teo amin’ny tantaran’i Frantsa sy ny zanataniny no efa nahitana fomba fiady toy izao dia halatr’olona dia toy izay nahazo an’i Mehdi Ben Barka avy any Algérie notaomina ho any Frantsa ka nanjavona teo anelanelan’i Marseille sy Parisy, ary tsy hita izany olona izany hatramin’izao.
Ny zavatra nety nitranga tamin’iny sabotsy iny, araka ny fanazavan’i Mehdi Ben Barka dia na lozam-piaramanidina ka maty tany ny filoha sy ny olon-drehetra tao anatin’ilay fiaramanidin’ny Airlink na tsy hita fa nanjavona ny filoha satria nalaina an-keriny. Hentitra ny tenin’i Constant nilaza fa “tsy misy izany filohan’ny tetezamita izany rehefa tsy ao ny ankolafy Ravalomanana. Ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert rahateo efa tsy ao”. «Andalana iray no nametrahana izany filohan’ny tetezamita izany, andalana iray koa ny maha ao anay. Rehefa misintaka izahay dia efa tsy ilay tetezamita voasoratra ao amin’ny sori-dalana intsony io na inona na inona lazaina. Midika izany fa mihemotra daholo ireo mihevitra hanampy ny tetezamita rehefa tsy ao izahay», hoy hatrany i Contant Raveloson izay nampahatsiahy fa hitsingerina rahampitso koa ny heloka bevava hafa nataon’i Andry Rajoelina dia ny 26 janoary 2009 nandoroana ny haino aman-jerim-pirenena, ireo fananan’ny filoha Ravalomanana rehetra, teo koa ny fandoroana olona tamina toerana maro. Ny orinasa sasany tsy tafarina intsony, hoy izy. Ireo izay tafarina kosa mitsipozipozy. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy fitsarana ny amin’iny raharahan’ny 26 janoary 2009 iny fa takonana fotsiny hoe hetsi-bahoaka kanefa niaraha-nahita fa heloka niniana natao hamotehana fiainan’olona an’arivony maro.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.