Politique

Raveloson Constant “Narefarefan’ny olony tanaty loto ny Filoham-pirenena”


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Noroahin'ny tandapan'ny Prezidansan'ny Repoblika faha-4 tamin'ny fandraisam-bahiny lehibe nilasiany tao Antsiranana ny Prezidà farany tamin'ny Repoblika faha-3.

  Tsy fomba amam-panajana, tsy arofenitra. Talenta manokana ao akaiky ny lapa ao ilay manitrikitrika, toa ilay ramatoa iray izay nilaza fa "anay izao ny fahefàna", raha ny fanehoan-kevitr’i Constant Raveloson. Toa hevitra lalain'ireo tandapan'ity Repoblika faha-4 ity ny hoe tano mafy ny tarazon'ny barofon’ny 2009, fa hena an-tanan-tsaka. Hiolikolika etsy sy eroa ny filazan'ny mpiaro fenitra (protocole) na ny mpiaro ny prezidansa (sécurité) hanamarinan-tena. Fa na ahoana na ahoana dia narefarefany tanaty loto ny haja amam-pahamendrehan'ny Repoblika sy ny prezidany natao harovany. Tsy ho afaka amin’ny fomba fiasan’ny mpitondra izay tsy hay hoe mahay ny asany ny mody tsotra be tsy mahatakatra akory izay fiantraikan'ny ataony, kanefa ity ataony isehoan-javatra mahamenatra ka mampihetry ny andrim-pitondrana sy ny filoha karakarainy. Ain-dehiben'ny arofenitra sy ny fiarovana any an-tampony any mantsy izany hoe voalamina mialoha, tsy misy raorao ary ara-penitra fifanajàna, amim-boninahitra. Na koa dia efa milofo manao izay hampifanandrina, ka don-tandroka aloha. Mamasoka sy manindry aloka aloha no tanjony. Asa izay atsy ho atsy. Ilay an-kilany mantsy tsy manafina fa tsy afaka hipetra-potsiny miandry ny 2018. Fa na aiza na aiza amin'ireo dia ny tena tsy fahaizana mangitsokitsoka dia ilay niala ny lalana tsy misy raorao, ara-penitra fifanajana sy fifanomezam-boninahitra. Manampy trotraka ny henatra lalina efa namarinan'ny namany ny prezidànsa noho ny asa maloto samihafa. Rimbona indray ny fitokisam-bahoaka. Izany ilay hoe "Aza adala Tandapa mpanaraka fa ny hasin-dehibe no miraraka".

 

Prezidansa manao ahoana ?

 

Manararaotra misalotra ny asany ao amin'ny prezidansa ny sasany. Manampatra ny fahefana an'ny fiadidiana ny Repoblika. Be izay zavatra ataon'ny tandapa amin'ny anaran'ny filoha izay. Ka ahoana ny tenin'ny prezida ? Himoana indray angaha ? Dia tsy asiana resaka izany. Fa tahaka ireny tsy misy inona ireny ihany: manao prezidana Repoblikan'antoko, fanjakàn-tandapa mamba noana sy mpanao politika mpitanty vary latsaka. Mamboly fifanandrinana ireo fa izay no mahavelona azy. Amin'ny 2018, hasaina manamasina ny lova tarazom-Barofo 2009 ny mpifidy. Hokofonina lakirimôzena sy hotondroina vava-basy ny tany sy ny firenena hampifitsaka azy. "Anay ny fahefana", hoy ilay Ramatoa izay. Sa mba hijoro amin’izay fa Prezida?

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT