Politique

Raveloson Constant “Milalao ain’olona Rajoelina”


  • Talata 07 Febroary 2012

Nilaza ny fahitany ny raharaha 7 febroary 2009 i Constant Raveloson. Amin’ny maha olon-tsotra azy dia ambarany fa «namorona tabataba lehibe ny ekipan-dRajoelina sy Hajo Andrianainarivelo momba ity 7 febroary ity.

 Mibaribary avy hatrany fa filalaovan’olona eo anatrehan’ny fiverenan-dRavalomanana izay tsy hainy tohaina, tsy ahitany hevitra marina hisakanana azy intsony ireny. Miampanga tena ao anatin’ireny horonantsary alefa tontolo andro amin’ny fahitalavitra ny tetika maizina nataony», hoy i Constant Raveloson. Ity farany izay nanamarika fa tsy sahin-dRajoelina sy ireo namany ny nandefa ny teniny teo amin’ny kianjan’ny 13 mey, naniraka ireo olona haka ny lapa. «Tsy sahiny nalefa tamin’ireny horonantsary ireny ny teny hoe mandehana alaivo ny lapa. Tsy sahiny koa ny nandefa ny ampahany nampiseho an’ny ‘complet gris’ tamin’izany. Io olona io dia nanatanteraka iraka hatramin’izany ka hatramin’izao, ary miezaka mamiravira ny fahavoazan’ny olona notaritiny nananika lapa», hoy ihany ity mpitari-tolona MFM ity. Manoloana izany dia miantso an’i Adry Rajoelina i Constant Raveloson hamoaka ireo ampahan-tsary misy ireo rehetra ireo. Ankoatra izay dia niniana tsy navoaka koa ny raki-tsary navoakan’ny fahitalavitra frantsay “France 24” izay vavolombelon’ny fihokoana nataon’ireo mpanongam-panjakana, hoy ihany i Constant Raveloson. Iny horonantsary iny, hoy ity farany dia nahitana fa mila hamoronana heloka Ravalomanana vao afaka eo, araka ny fahitan’ireo mpioko azy. Voarakitry ny tatitra nataon’i Charles Andrianasoavina rahateo izany ary misy mpanao politika, izay lasa mpikambana ao amin’ny CST ankehitriny, dia nilaza fa mila ra latsaka, hoy ihany i Constant Raveloson.

Manoloana izany rehetra izany, hoy ity farany, «raha misy olona tena ampangaina fa nanao izay hampisy ra latsaka dia Rajoelina izay. Onena amin’ireo olona mijoro vavolombelona aho satria dia tsy mahalala na inona na inona izy ireo. Ny olona tena mila amnistia amin’izao dia i Andry Rajoelina sy ny namany noho ny heloka bevava nataony, tahaka izay koa ny 26 janoary 2009», hoy ihany i Constant Raveloson. Amin’ny maha mpikambana azy eo anivon’ny Kongresy dia ambaran’ity mpanao politika ity fa tokony hisy fiantsoana tsy maintsy hatao eo amin’ny fahefana mpanatanteraka, anisan’izany Rajoelina, ny minisitry ny serasera izay mandranitra amin’ny alalan’ireny horonantsary ireny, eny hatramin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitaterana ary ny sekretera jeneraliny. «Tokony halaina am-bavany izy ireo, hamantarana raha misy fanjakana anaty fanjakana eto, izany hoe karazana fanonganam-panjakana faharoa koa. Ny maha filohan’ny tetezamita an-dRajoelina dia ny sori-dalana», hoy i Constant Raveloson.

Andraikitry ny filohan’ny tetezamita ny manao izay hampizotra ny tetezamita saingy ny an-dRajoelina dia ny mifanohitra amin’izany no ataony. Ho avy ny fiampangana azy, hoy ihany i Constant Raveloson satria tsy ny asa maha filohan’ny tetezamita azy no ataony fa mbola ny asana mpanongam-panjakana, nanarama olona tamin’ny 7 febroary, nioko niteraka ny 26 janoary, mbola ireny ihany no ataony, hoy ihany ity mpanao politika ity. Anisan’ny fanadinana am-bava tokony hataon’ny mpanao lalàna amin’ny mpanatanteraka ihany koa ny tsy fisiana fanadihadiana na fanenjehana ny amin’ny raharaha 26 janoary 2009 kanefa ny zava-misy eto amin’ny firenena na dia takelaby fanaovana doka no simba dia efa mandeha ny fanamboarana sy ny fanadihadiana kanefa ny niseho tamin’ny 26 janoary 2009 dia ain’olona no nafoy, fananan’olona no potika sy rava tanteraka. Mifamatotra, hoy i Constant Raveloson ny 26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009 ary mbola mihevitra azy ho tsy maty manota ireo nahavanon-doza sy nanota fady.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT