Politique

Raveloson Constant “Ho menatra io GIC-M mandidy mpitsara io”


  • Alakamisy 01 Aogositra 2013

Sazy ! Io indray izao no ambentin-dresaka vao hifarana ny volana jolay ka nandrenesana fa ho avy eto Madagasikara indray ny iraky ny GIC-M tarihin’i Joaquim Chissano.

Nampahatsiahy Raveloson Constant fa efa tamin’ny 2009 ny Malagasy no voasazy ary ny filoha Marc Ravalomanana no nizaka ny sazy mavesatra indrindra. Ka inona moa ny olana raha tsy mankany Frantsa ? Sazy atakalo fihavanana ity ka matoky aho, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, fa hahatsiaro tena ny GIC-M ary ho menatra satria mandidy mpitsara. Misy hoeritreretin’ny GIC-M ireny tranga teto anatin’ny roa herinandro ireny fa tsy vitan’ny vola avokoa ny zava-drehetra. Tsy maintsy hanaiky ireo GIC-M ireo, hoy Raveloson Constant fa tsy saribakoly ny Malagasy fa manana ny feon’ny fieritreretany ka hatoky ny diniky ny FFKM. Amin’izay fotoana izay, hoy ity olon’ny Mafana ity dia hitombo kokoa ny fitokisan’ny iraisam-pirenena ary hihavana amin’ny Malagasy ny any ivelany ka ho azo ny vola ary ho avy izany, hoy izy rehefa lany ilay ramatoa (Lalao Ravalomanana).

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT