Politique

Raveloson Constant Hanelanelana sa inona no anton-dian’ny GIC-M teto ?


  • Alatsinainy 15 Jolay 2013

Nankasitraka tanteraka an’i Neny ny tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Niteny Rtoa Lalao Ravalomanana, hoy Raveloson Constant fa “fitsapana sy fisedrana mendrika hijoroana izao ka tsy misy misintona ny filatsahan-kofidiana izany”.

Manao be fiavy ny iraisam-pirenena nefa tsy dia niresaka tondrozotra satria fantany fa tsy mbola tanteraka hatramin’izao izy io fa fifidianana no ventesiny. Aoka hazava, hoy Raveloson Constant fa ao anatin’ireo 109 nosazian’ny CPS hatramin’ny 2010 dia misy 10 nilatsaka hofidina filoham-pirenena ka mipetraka ny fanontaniana hoe : hanelanelana sa dia zavatra hafa mihitsy ny anton-dian’ny GIC-M teto ?

Tsotra ny tenin’ny CT Rarison Hilarion momba ny toe-draharaha, “ny Malagasy no mametraka sy manapaka ny tiany atao eto amin’ny taniny”. Nanamafy izany ny fanamarihana nentin’ny CST Randrianjatovo Henri milaza fa izay vao nisy olona sahy hoe tenindrazany no nifampiresahana tamin’ny vahiny mantsy an-dRtoa Lalao Ravalomanana raha nifampidinika tamin’ny iraky ny GIC-M teny aminy tao Faravohitra ny zoma lasa teo. Zava-dehibe amin’ny raharaham-pirenena ireny, hoy hatrany Randrianjatovo Henri. Ny marina eto amin’ny firenena dia matahotra “1er tour dia vita” ny Frantsay sy ny FAT.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT