Raveloson Constant

> Matanjaka ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 05 Septambra 2013

Ny filoha Marc Ravalomanana tompony mihitsy no milaza, hoy Raveloson Constant fa matanjaka ny antokony na dia efa nivatravatra nanala ny saron-tavany aza ny Frantsay nanampy an’i Andry Rajoelina.

Rtoa Lalao Ravalomanana dia ampy nanala an’i Andry Rajoelina izay tsy nety lasa filoha voafidim-bahoaka mihitsy. Ny asa ataon’ny filoha Ravalomanana, hoy Raveloson Constant dia mampiseho sy manazava fa tsy mbola tomombana ny fifidianana, na lazain’i Joaquim Chissano any ivelany any aza fa na ny bileta aza efa vonona mba hilazana fa vita ny baolina ary tsy misy azo atao intsony. Zatra ady an-trano ry Joaquim Chissano, hoy Raveloson Constant ary izany tokoa no nahazoany fitondrana. Tsy nisy nandroba tombontsoa frantsay teto fa ny Frantsay no manentsina ny tombontsoan’ny Malagasy ka rehefa tsy mahay miaina ireo dia hiady aminy isika. Tsy ady toy ny ady rehetra anefa ity, hoy ity mpikatroka Mafana ity fa faranana amin’ny fifidianana ny tantaran’ny mpanongam-panjakana, ary idirana avokoa ny lalana amin’izany na manodidina aza. Matanjaka isika satria samy mahalala ny fiainany tamin’andron’ny filoha Ravalomanana sy tamin’ny krizy ka raharaha be ho anareo Frantsay sy ny namany ny “génération Ravalomanana”.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT