Horaisintsika am-pilaminana amin’ny faha-25 oktobra ny fitondrana, hoy Atoa Ravelosona Constant tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.
Horaisintsika Ambohitsorohitra, hoy izy, dia ho raisintsika koa i Mavoloha ka ny Dr Robinson Jean Louis no nirahan’ny filoha Marc Ravalomanana hiaraka amintsika hanatanteraka izany. Hofaranantsika tanteraka, araka izany, ity fitondran’ny mpanongam-panjakana ity. Na hisy tee-shirt na tsy hisy tee-shirt noho ny fanagejan’ny mpanongam-panjakana ny antsika eny Ivato dia efa raiki-tapisaka amin’i Neny Lalao Ravalomanana Antananarivo ampy hanosika ny kandidà Robinson Jean Louis haka ny fitondrana. Ho tena azo antoka ny fandresen’Antananarivo, hoy Atoa Raveloson Constant, ka ny paikady hanatanterahana izany dia mitondra olona azo antoka 5 tsirairay avy isika vory eto an-kianja izao sy ny ankohonantsika tsirairay avy any an-trano any. Olona tena azo antoka fa afaka hifidy sy tena hifidy an’ny Dr Robinson dia ho azo antoka ny fandresentsika amin’izay. Ary rehefa mandresy Antananarivo, vita ho azy ny raharaha.
Michel/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.