Notohizan’i Constant Raveloson tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo ny vaky bantsilana efa nataon’i Manandafy ny zoma, amin’ny tetiky ny Frantsay nanilihana an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana.
Ankehitriny indray dia betsaka ny fandrebirebena hampitarozahana ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, araka ny tapaky ny SADC tany Luanda, hamahana ny krizy, hoy i Constant. Afantohy amin’io fihaonana io ny adihevitra fa ny ambiny fandrebirebena. Nasiany teny koa ny raharaha Remenabila any atsimon’ny Nosy. «Hambompom-pirenena ve dia hiantso tafika frantsay, ary izao ny firenenao handihizan’ny dahalo nefa Ravalomanana no henjehinao isan’andro. Izany ve no firaisakina ?», hoy i Constant Raveloson. Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny eto, hoy hatrany ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, jereo ny zava-mitranga eny anivon’ny ministera, samy manao « conclave”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.