Politique

Ravelonarivo Jean « Very hasina »


  • Alarobia 13 Aprily 2016

Kivy amin’ny jeneraly Ravelonarivo Jean ny ankamaroan’ny vahoaka amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny

 

. Ny tsy nitazonany ny heviny tamin’ny nilazany fa tsy nanao sonia ny taratasy fametraham-pialana ny tenany. Midika izany, hoy ny fanehoan-kevitry ny olona avy amin’iny faritra iny fa tsy nahim-pon’ny jeneraly Ravelonarivo Jean ny niala, fa natosika hametra-pialana izy. « Ny hasiny mihitsy no voatohintohina » eo anatrehan’izany, noho izy tsy niaro izany, hoy hatrany ny fanehoan-kevitry ny olona ka nahakivy ny ankamaroan’ny vahoaka any Atsimo Atsinanana. Handray fitenenana farany amin’ny maha praiminisitra azy moa ny jeneraly Ravelonarivo Jean anio, mandritra ny famindram-pahefana hotanterahina eny Mahazoarivo ka miankina amin’izay ambarany eo ny tohiny. Ny azo antoka koa eo anatrehan’izao fanilihana ny jeneraly Ravelonarivo Jean tsy ho praiminisitra tamin’ny fomba mamohehatra izao, hoy hatrany ny ako avy any an-toerana dia tsy hahazo ny fon’ny vahoaka any Atsimo Atsinanana ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT