Politique

Ravelonarivo Jean Tsy hiala amin’ny toerany


  • Talata 23 Febroary 2016

« Averiko indray fa miaramila ny tenako ary manamboninahitra jeneraly ».

 

 Io no navalin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany omaly momba ny feo mandeha fa misy hery politika manosika azy hiala amin’ny toerany saingy tsy mety miala izy. Tsy misy izany teritery samihafa izany fa ianareo koa no mahita siosion-dresaka taterina indraindray. Tamin’ny valin-teniny dia tian’ny praiminisitra izay somary niha-nahia tato ho ato ambara fa tsy miala andraikitra izany ny miaramila. Vao mainka koa moa nisy an’iny fahatrarana ny andramena tany Singapour sy ny fanisana ireo andramena tratra eto Madagasikara iny ka dia vao mainka niha nahazo hery ny lehiben’ny governemanta nanome baiko ny amin’ny tsy handeferana amin’ny mpanao kolikoly. Na tsy niteny mivantana aza omaly ny jeneraly Jean Ravelonarivo dia takatry ny rehetra tsara ny fehezan-teny tao an-tsainy fa dia tsy hiala amin’ny maha praiminisitra azy mihitsy izy. Efa resaka hafa indray moa raha toa ka hoe ny parlemanta no manongana azy na noho ny antony lehibe dia manolo azy koa ny filoham-pirenena. Nambarany ihany koa omaly teny Mahazoarivo fa hanokatra fanadihadiana mahakasika ireo kaontenera izay tratra any Singapour ny fanjakana malagasy ka hosaziana izay tompon’andraikitra tamin’izany na olona mitana andraikitra ambony na ambany araka ny nambarany. Nasian’ny praiminisitra teny ihany koa ny momba ilay fitsanganan’ny fitsarana manokana hitsara ny karazana kolikoly amin’ny harem-pirenena.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT