Politique

Ravelonarivo Jean Saika hamoaka dosie gravy


  • Talata 12 Aprily 2016

Tantaraina sisa izany Ravelonarivo Jean praiminisitra lehiben’ny governemanta izany. Niala tsy nisy gidragidra na saika mbola hifandahatra amin’ny lalàna aza.

 

 Niditra an-tsehatra koa moa ny Frantsay sy ny Tafika, dia fingonongononana sisa ny azy sy ny ekipany. Mbola miteraka adihevitra moa ny fanilihana iny praiminisitra Ravelonarivo Jean iny. Maro ny mihevitra fa ny famakiany ady amin’ireo mpanao trafikana andramena sy ny ady amin’ny kolikoly no nanesorana azy. Nanafaingana ny fialany ny fahatrarana andramena any Singapour ka hisian’ny raharaham-pitsarana amin’ny volana aprily ity sy ny namerenana eto Madagasikara ireo andramena tratra tatsy amin’ny nosy  Maorisy. Teo koa ny fitsikafonan’ireo antontan-taratasy mikasika ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny tsenan’asam-panjakana ka mahavoarohirohy ireo olona manodidina ny filoha, izay nahoraka an-gazety tato ho ato.

Nanam-piniavana ny hanao fanadiovana teo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana, izay izy no lehibeny, ny praiminisitra Ravelonarivo. Antoka hivoahan’ny vola avy amin’ny mpamatsy vola rahateo izany ady amin’ny kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena ary ny fahaiza-mitantana izany. Mafy tosika anefa ny adverserany, tratry ny angaredona tamin’ny ora farany koa Ravelonarivo Jean, rehefa niditra an-tsehatra ny Frantsay sy ny Tafika ka nilavo lefona ny jeneraly, noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Nanao veloma ireo mpiara-miasa aminy izy nandritra ny fananganan-tsaina maraina teny Mahazoarivo omaly, ary nilaza fa vonona hanao famindram-pahefana amin’ny praiminisitra vaovao Mahafaly Olivier Solonandrasana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT