Politique

Ravelonarivo Jean Manahirana ny fitondrana HVM


  • Talata 16 Febroary 2016

Tsy azo ialàna intsony fa tena efa manomboka ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018.

 

 Na dia nanda ho mbola tsy mandray anjara amin’izany aza ny filoham-pirenena ankehitriny dia tamin’ny diany tany Beloha Androy farany teo dia ny mifanohitra amin’izany tanteraka anefa no fahitan’ny mpanara-baovao ny fihetsiny sy ny fiteniny izay mifaninana sahady amin’Atoa Andry Nirina Rajoelina ,filohan’ny tetezamita teo aloha.

Kandidan’ny anindran-tany

Na ny radio Frantsay Rfi nandritra ny vaovaony afak’omaly aza dia efa nanamarika izany fanombohan’ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana izany. Tsy ho azy ireo irery fa na ny praminisitra izay be mpilaza fa tsara toerana indrindra amin’io fifaninanana io ihany koa dia efa voakasiky ny resaka na dia efa nanambara aza ny tenany fa tsy ho kandida. Manam-pivoarana anefa ny zava-drehetra ary ny tanety lava misy isainana. Momba ny fiainana politikan’ny praiminisitra dia somary tafiditra amina resaka saro-pady ihany satria lasa nahakasika resa-pihaviana sy foko ny tantara. Ho an’ny mpomba ny praiminisitra Ravelonarivo jean dia izy no kandida filoham-pirenena tsara toerana indrindra hitondra ny fanevan’ny avy any anindran-tany. Ny ampahany maro amin’ireo mpikambana ao amin’ny « grand sud est » izay ivondronan’ireo avy amin’ny faritra Anosy ka hatrany Nosy Varika ary mahazo an’i Betroka Ihosy sy Ankazoabo Beroroha iny dia manohana izany firotsahan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ho kandida ho filoham-pirenena na dia tsy mbola nanao fanambarana amin’ny fomba ofisialy aza. Feo hafa toa mifanohitra amin’izay kosa no heno avy amin’ny faritra hafa na dia mbola avy any anindran-tany ihany koa aza. Ho an’ny fikambanana hafa indray dia ny praiminisitra sy ny governemantany mihitsy no tsy mahomby ka tokony ho soloina governemanta tena teknisianina. Na tsy mitonona anarana aza anefa dia fantatra ihany ny olona ao ambadik’izany fanambarana izany. Lasa naka endrika sy sehatra vaovao indray izany ny fanehoana hevitra politika ankehitriny ka lasa nahazo sehatra ny resaka fiaviana sy ny karazam-poko. Foto-kevitra tsy dia misy maharatsy azy raha toa ka atao ao anatin’ny fifanajana hatrany saingy mety tena hitera-doza kosa raha toa ka tsy mipetraka ambonin’ny resaka foko ny maha iray sy ny maha mpihavana ny Malagasy rehetra. Io resaka fampihavanana io mantsy no saika nahitan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina vahaolana tamin’ny fanarenana ny firaisam-pirenena sy ny famitranana ny fifankatiavian’ny samy Malagasy saingy noho ny antony izay izy irery ihany no mahalala azy dia najanona indray izany fampihavanana izany ka dia izao no niafarany.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT