Politique

Ravelonarivo Jean Hamaly faty amin’izay ?


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Mandrimandry manana aretina i Madagasikara ankehitriny noho ny fisian’ireo fitokonana samihafa. Anisan’ny tena lehibe ny hetsika ataon’ny Afo Sendikaly izay mitaky ny hisamborana ireo olona akaikin’ ny fitondrana izay efa tsy takona afenina intsony fa mpanao kolikoly sy asa maizina.

Eo ihany koa ny fe- potoana napetrak’izy ireo hanalana tao anaty governemanta ireo olona fantatra fa mpambotry firenena fotsiny. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy filazana fa anisan’ny ao anatin’ny Afo Sendikaly ny praiminisitra teo aloha ny jeneraly Ravelonarivo Jean saingy raha izao fizotran’ny toe-draharaha izao dia tsy hahagaga mihitsy ny handre atsy ho atsy fa hanohana io hetsika io ny tenany. Na tsy ho noho ny valifaty tamin’ny natao azy aza fa noho ny teniny izay nilaza fa olon’ny firenena izy ka fotoana angamba izao hanehoany tokoa ny fitiavany ny tanindrazana . Araka ny loharanom-baovao fantatra mantsy dia anisan’ny olona tena mahalala tsiambaratelo ary manana antotan-taratasy maro momba ny kolikoly maro niseho teto amin’ny firenena ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo ka anisan’ny tena tsy nitiavana azy ny saika hampisamborany mpandraharaha vehivavy iray izay tena akaikin’ny fitondrana noho io farany io nahiana amina fandikan-dalàna maro. Vao manomboka moa ny tantara fa ho hita eo ny tohiny. Araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia nisy nitovitovizana ihany ny fomba natao tamin’ny nanesorana ny praiminisitra Kolo Roger sy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean fa mbola ho hita avokoa moa hoe hatraiza no tena maha marim-pototra izany vaovao malaza be izany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT