Politique

Ravelonanosy Mamy Tiana Tsy tokony hanao politika ny miaramila


  • Zoma 29 Jona 2012

Hambara ary angatahantsika amin’ny SADC fa tsy tokony hanao politika ny miaramila malagasy, hoy ny filohan’ny vondrona parlemantera ankolafy Ravalomanana eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Ravelonanosy Mamy Tiana tetsy amin’ny Kianjan’ny finoana Behoririka.

 Tafiditra tamin’ny politika tanteraka ny tafika malagasy, hoy izy, nanomboka tamin’ny taona 2009 ary izy ireo mihitsy aza no nanambara ampahibemaso fa tsy manaiky ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra. Taloha, hoy ity CT avy any Ankazobe ity, dia nodradradradraina fa manafatra mersenera Ravalomanana … Ankehitriny anefa misy firy ny vazaha ao anaty tafika Malagasy ? Ary izao indray mbola hanafatra vazaha hanafika ny dahalo, hono ! Ary ilay ambasadaoro frantsay vaovao io, hoy izy, dia ilay efa nanaraka ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abbeba ka anisan’ny efa nitady hevitra fatratra ny fanilihana ny filoha Marc Ravalomanana sady mpanindrahindra fatratra ny fitondrana FAT.

Dia anisan’ny avy aminy ny hevitra hoe tsy tokony hirotsaka hofidiana i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ny tahotra ny filoha Ravalomanana anefa no mibahana ao an-tsainy ka atao izay antsojay hanenjehana azy hatramin’ny farany. Raha tsorina, hoy ny CT Mamy Tiana, dia mitady hirika hanao fifanaraham-piaraha-miasa vaovao ny Frantsay. Fa isika dia tsy sasatra ny mampatsiahy ny SADC fa ampiharo ny lalàna ka aoka ho tena matotra ny fampiharana ny tondrozotra ary mila arahi-maso tsara izay rehetra vita sy natao sonia.

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT