Politique

Ravelonanosy Mamitiana Te hiala amin’ny sori-dalana ny FAT


  • Alakamisy 09 Febroary 2012

“Notsiahivin-dry zareo tamin’ny talata moa izany ny 7 febroay nitondran-dry zareo olona teny Ambohitsorohitra izay faritra mena tsy azo hidirana nefa nitondrana vahoaka ihany mba hanonganam-panjakana. Tafita moa ny zavatra nataon-dry zareo satria ny vono olona sy ra latsaka no tadiavina mba ahafahana tonga eo amin’ny fitondrana», hoy ny CT Ravelonanosy Mamitiana, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Ny tokony hotadidiana kosa anefa, hoy ity farany, fa nanomboka teny Ambohijatovo ny fanonganam-panjakana nataon-dry zareo ary nitohy izany tamin’ny 26 janoary 2009. Ary tamin’io aza dia afaka mametra-panontaniana isika rehetra hoe : iza marina tokoa no tompon’andraikitra tamin’ireny fandrobana ny fananam-panjakana sy fananam-bahoaka ireny ary fandatsahan-dra tamin’ireny fotoanandro ireny fa tsy hita isa ny olona may tetsy Analakely, ny voatsindrin’ny gonim-bary teny amin’ny Magro ? Satria tsy nisy vahiny nandray anjara tamin’ireny fa Malagasy ray sy reny dia mitaky izahay ny amin’ny tsy tokony hanaovana mizana tsindrian’ila ny hoe tsy misy tsy maty manota eto fa samy nanota daholo ary mbola nitohy teny Ambohijatovo aza izany hoe iza no nitifitra ary nahafaty ilay mpivaro-boky, ny nitifitra sy nahafaty olona teny Fort-Duschesne, ary ny nitifitra lakrimozena ka nahafaty olona tamin’ny 21 janoary 2012 farany teo tamin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana iny raha tsy hilaza afa-tsy ireo isika ? Ny tetika dia mazava fa ny hanaovana famotsoran-keloka voafantina mba hisivanana olona toy ny filoha Marc Ravalomanana.

Tsy izay anefa no notakiana niaraka tamin’ny iraisam-pirenena fa ny famotsoran-keloka faobe ka raha tiana ny tsy hisian’ny olana eto amin’ny tany sy firenena dia tsy maintsy mandalo amin’izay isika. Ny zavatra tokony ho fantatry ny FAT na dia notsaraina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna aza ny filoha Marc Ravalomanana dia efa rava avokoa araka ny voalazan’ny andininy faha-16 ao amin’ny sori-dalana izany satria fifanenjehana politika ka tsy manan-kery intsony. Ny zavatra hita ankehitriny dia efa tsy te-hampihatra ny sori-dalana intsony fa manohitra izany ireo fihetsiky ny FAT tao ho ao. Tsorina fa tsy manam-piniavana politika hiala amin’izao krizy izao mihitsy ny FAT. Ny ankolafy Ravalomanana anefa dia hitazona ny teny nomena hatrany am-boalohany ka tsy hiala amin’ny sori-dalana velively sy hitazona mandrakariva ny andininy faha-20 dia ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra mba hisian’ny fitoniana eto.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT