Nahabe resaka hatramin’ny faran’ny herinandro ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny Emmo-Reg nanaparitahana ny vahoaka tonga teny Ambohijatovo raha saika hanao tatitra ny Parlemantera avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana . Nanatona ny prefektiora hanontaniana ny heviny sy ny anjara andraikiny momba ny fanakanana ilay hetsika izahay. Ravelomanarivo Jean Jacques, lefitry ny Préfet de police no nandray ny gazety Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana (T.T) : Voarara ve ny manao tatitra eny Ambohijatovo izay kianja mifefy ?
Ravelomanarivo Jean Jacques (RJJ) : Mankasitraka ny zo hiteny sy haneho hevitra tokoa izahay. Tsy maintsy ny lalàna anefa no mibaiko amin’ny fanatanterahana ny asa dia ny fitandroana ny fahalemana mialoha, mandritra ary aorian’ny hetsika rehetra sao misy ny fanimban-javatra na koa ratra na aina afoy mihitsy aza. Tsy afaka manome alalana hanaovana hetsika avy hatrany koa ny Prefektiora fa tsy maintsy mahazo ny faneken’ny tompon’ny toerana aloha, izany hoe ny Kaominina. Rehefa misy izay fahazoan-dalana izay vao miara-midinika amin’ny OMC ny Préfet raha omena alalana ny mpangataka na tsia.
T.T: Tsy manohintohina ny zo maneho hevitra na fanapenam-bava ve ireny fanakanana nataonareo tamin’ny sabotsy ireny ?
RJJ : Ilay toerana mihitsy anie no misy risika e ! Ireo mpivarotra boky eny Ambohijatovo ireo dia tsy mankasitraka mihitsy ny hisian’ny hetsika eny satria voatery manakatona ny tsenany ry zareo saingy tsy misy mpihaino moa ny ahiahiny. Efa nisy anefa naman’izy ireo iray namoy ny ainy noho ny savorovoro teny an-toerana.
T.T : Namory vahoaka ny filohan’ny FAT teny Ambotsorohitra tamin’ny 07 febroary sy tany Morondava farany teo fa tsy nila nanao fangatahana. Nahoana no takiana fahazoan-dalana ny Parlementera izay ao anaty fitondrana raha hanao tatitra teny Ambohijatovo ?
RJJ : Raha jerena ny valin’ny fangatahana avy amin’ny Kaominina Antananarivo dia milaza fa samy tsy misy mahazo mampiasa io kianja io na ny mpitondra na ny mpanohitra mba tsy
hisian’ny mizana tsindrin’ila. Rehefa tsy nisy nahazo ireo teo aloha dia tsy mahazo koa ny rehetra aty aoriana. Efa niangaviana hijery toerana hafa tsy misy risika koa anefa ry zareo satria samy tsy misy afaka mihambo fa mahafehy vahoaka be izany izay mpitarika politika
mankeo Ambohijatovo. Momba ny famoriam-bahoaka ataon’ny filohan’ny FAT indray dia tsy mila mangataka alalana ny prezidà.
T.T : Ny Ankolafy Zafy dia niampanga ny Prefektiora sy ny Kaominina ho mody mifandrirarira raha nolavina koa ny fangatahany hamory vahoaka tamin’ny taon-dasa ?
RJJ : Mety ho resaka fifandaminana angamba satria tsy mora ny mandray fanapahan-kevitra amin’ny hetsika lehibe toy ireny. Marihiko fa tsy misy olana mihitsy ny fifandraisan’ny PDS
sy ny Préfet.
T.T: Manao ahoana ny fifandraisan’ny asan’ny Préfet de Police sy ny Emmo-Reg ? Iza no mibaiko an’iza ?
RJJ : Ny OMC no manao ny fanadihadiana momba ny zava-misy ka mandray fepetra mifanaraka amin’izay. Avy eo dia alefany any amin’ny Emmo-Reg ilay tatitra ka ity farany no mametraka ny paikady. Raha tsorina izany dia ny OMC no mamolavola fa ny Emmo-Reg no mametraka ny lamina sy manatanteraka. Tsy misy idiran’ny Prefektiora mihitsy ny andraikitry ny Emmo-Reg satria izy no nianatra momba izay fametrahana paikady izay. Marihiko anefa fa ny Préfet de police no filohan’ny OMC fa mpikambana ao anatiny kosa ny mpitandro ny filaminana ahitana ny polisy, zandary, miaramila, ny mpampanoa lalàna ary ny Kaominina.
T.T: Mitandro ny fahalemana hoy ianao no andraikitry ny Préfet de police. Tsy misy mpitandro filaminana mihitsy anefa manakana ireo mpianatry ny lisea izay midina an-dalambe, roa andro izao ?
RJJ : Misy ny mpitsikilo avy amin’ny prefektiora sy ny OMC izay manara-maso ny fihetsik’izy ireo eny an-dalana eny. Hita fa fa tsy misy ny risika fanimban-javatra ataon’izy ireo.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.