Politique

Ravelojaona Andry La Pie Hanome rano tsy andoavam-bola 5 andro ny vahoaka eny Manarintsoa hatreny Andohatapenaka


  • Zoma 27 Jona 2014

Noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena sy araka ny dinika nifanaovany tamin’ny fokonolona isan-tsokajiny tamin’ny talata lasa teo dia tapaka fa hanolotra rano tsy aloa vola

antsakaina amin’ny paompim-bahoaka ho an’ny mponina amin’ny fokontany maromaro ao amin’ny Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra nanomboka ny alarobia 25 jona ka hatramin’ny alahady 29 jona 2014 Atoa Ravelojaona Andry La Pie mivady. Voakasik’izany koa ny rano fanasan-damba amin’ireny toerana misy paompin-dranom-panjakana ireny satria haloan’izy mivady ireto avokoa ny sandan’ny ho lany amin’ireo andro ireo. Ireo fokontany any amin’ny faritra iva tahaka ny eny Manarintsoa Isotry, Andranomanalina sy Andohatapenaka  iny no voakasik’ity hetsika ity miampy an’i 67 ha rehetra sy Antohomadinika manontolo. Nidina tamin’ireo toerana voalaza ireo mihitsy moa Atoa Ravelojaona Andry mivady tamin’io talata io nampilaza ny mponina ny amin’ity fanampiana azy ireo nataony ity. Hetsika efa mahazatra ary efa fanaonay, hoy i Andry La Pie ny fanampiana mpiara-belona raha mbola misy ny azo atao, ary mbola tsy hitsahatra ny hitady izay hahafahana manampy na koa mampihena farafaharatsiny ny fahasahiranana andavanandron’ny mponina manodidina anay izahay. Nambarany fa hitarina amin’ny lafim-piainana hafa tena manahirana ny vahoaka ny fanampiana amin’ny manaraka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT