Namaly ny fikasan’ny filohan’ny tetezamita hanendry minisitra hisolo toerana ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tsy manatrika ny filankevitry ny minisitra sy governemanta Ravatomanga Roland, minisitry ny fambolena.
Aminy dia hevitr’i Andry Rajoelina manokana izany ary tsy ho tanteraka. “Tsy asiana adihevitra maro ny momba izany fa tsy ho tonga amin’izay io. Misy zavatra tsy mety ao matoa izahay tsy mankao. Ahiahy sy fahadisoan-kevitra ny azy”, hoy izy manoloana ny fanirian’ny filohan’ny FAT. Notohizany fa ny tondrozotra dia mametraka ny fiaraha-mitantana eo anatin’ny governemanta sy ny Parlemanta. Etsy an-daniny dia nambaran-dRavatomanga Roland fa tsy mipetra-potsiny akory ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana na dia tsy miatrika filankevitry ny minisitra sy governemanta fa miasa ara-dalàna ary porofon’izany ny fanomezan’ny departemanta tantaniny “moto” ho an’ny ivontoerana famonoana valala miisa 9.
Nohararaotiny koa no nilaza fa kely dia kely ny tetibolan’ ny ministera tantaniny ary tsy manana ny enti-manana hanampiana izany akory ny fanjakana foibe. Fanontaniana kosa no napetrany raha tokony hoesorina koa ireo Parlemantera mivangabao. Nohazavainy fa nisy fotoana nandritra ny roa herinandro dia tsy ampy 200 akory ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny firehena hafa no tonga nivory ary tafidina 45 aza indraindray. Marihina fa vao nisintaka ny andrim-panjakana mpanatanteraka sy mpanao lalàna ny ankolafy Ravalomanana dia efa nandefa taratasy amin’ny SADC sy ny GIC ary ny Ffkm nanambara ireo tsy fetezan-javatra saingy tsy misy vokany izany hatreo. Mbola mihantona noho izany ny fandraisany anjara an-tsitrapo amin’ireo andrim-panjakana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.