Nohararaotina ny fandalovan’ny Minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland tao Antsirabe nakana ny heviny mahakasika ny fepetra napetraky ny GIC-M hatramin’ny faran’ny volana jolay izao.
Nambarany fa hetaheta sy faniriana ary mety ho lalana tsara hivoahana amin’ny krizy iny. Ho anay avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy ny fampitahorana sy ny fandrangarangana sazy no vahaolana fa ny fifampidinihina ihany, araka ny voalazan’ny tondrozotra ao amin’ny andininy voalohany. Anjarantsika rehetra no mijery ny lalana hivoahana sy ny hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Efa iaraha-mahalala fa manao ezaka goavana amin’izany ny FFKM ka mila ampiana izy ireo, ary arovana ny ezaka ataony mba handroso kokoa ny famahana ny krizy, hoy izy.
Mikasika ny mety handravana na tsia ny CES dia nambarany fa tsirin-kevitra niainga tao amin’ny Governemanta tokoa izany noho ny hamaroan’ny olona maniry izany, satria hita ho mampisalasala ny fahitana ny fanampahan-kevitra sasany nataon’ny CES, indrindra ny fahitan’ny mpiara-miombon’antoka amintsika ka noheverina fa tsara nodinihina izany. Ho anay tao amin’ny governenemanta, hoy ny minisitra Ravatomanga Roland, dia niraisan’ny maro fa tsy azo iverenana intsony ny fitsarana efa vitan’ny CES na nety izany na tsia fa ny fanatsarana azy mba hananan’ny Malagasy fitokisana no tanjona satria mbola misy ny zavatra ankinina aminy.
Nilaza ny minisitra Ravatomanga Roland fa ny ankolafy Ravalomanana dia manamafy fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny vondrona iraisam-pirenena isika ary tadidio fa solontenan’izy ireo ny GIC-M saingy raha misy kosa ny tsy mety dia anjaranay ny mitsikera azy ireo hanatsarana ny fiaraha-miasa mba hitsinjovana ny hoavy fa tsy hitoraham-bato azy ireo izany. Araka izany dia manamafy izahay Ankolafy Ravalomanana, hoy izy, fa tsy miova ny hevitray momba ny kandidà Lalao Ravalomanana, fa ho anay dia mahafeno ny fepetra rehetra na ny eto an-toerana ny iraisam-pirenena i Neny ka dia izy ihany no kandidanay izay atolotry ny Antoko Zanak’i Dada, tazoninay hatramin’ny farany izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.