Efa mampiteny ny moana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara.
Mikatso avokoa ny zava-drehetra, na ny fiainam-pirenena io na ny fiharian-karena ankapobeny, noho ny fihetsika tsy tompon’andraikitra ataon’ny mpitondra sasantsasany, araka ny fanamarihan’Atoa Ravaloson Johary, mpahay lalàna sady mpanoratra ihany koa. Nampahatsiahy ity farany fa efa hatramin’ny 2009 ny Malagasy no nampanantenaina fa hisy fifidianana, ary saika tanteraka izany tamin’ity taona ity, nefa izao dia manjavozavo indray ary na ny CENI-T aza mbola mivavaka mafy mba hiovan’ny GIC-M amin’ny heviny.
Ny ezaka fampihavanana mba hivoahana amin’ny krizy ataon’ny FFKM, na ankatoavin’ny Malagasy sy tohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa aza toa mihantona noho ny resaka fiambenana sy fiarovana ny ain’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fiarovana izay andraikitry ny mpanatanteraka, dia ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra, ka rehefa tsy mifanara-tsaina na tsy mahita hevitra amin’izany izy ireo dia tokony hiala, hoy Ravaloson Johary, satria efa zavatra hafa izao no andrasan’ny Malagasy. Ny mpitondra ihany koa no hany mahita tombontsoa amin’izao fikatsoana izao ary faly hijanona amin’ny toerany.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.