Nihazo an’i Manjary ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, taorian’ny nahavitan’ny Kongresim-paritry ny Antoko ny antoko Tiako I Madagasikara tao Manakara ny alakamisy teo.
Nifanandrify indrindra tamin’ny famaranana ny komity Lehibe sy ny Fihaonamben’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI) FJKM, izay natao tao an-toerana omaly izany, ka isan’ny niatrika izany ny filoha teo aloha. Faly aho nanatrika sy niaraka niombom-bavaka ary nizara fampianarana fohy taminareo zanaka teto androany, hoy I Marc Ravalomanana. Meteza mandrakariva ho vavolombelon'i Tompo,mananà finoana sy fanantenana ary fitiavana hatrany no hafatra nataony ho an’ireo tanora ao anatin’ny famirapiratana tanteraka. Nandalo teo amin’ny tsena ihany koa, ka hafaliana sy horakoraka hatrany no nandraisan’ny mponina azy sy ny delegasinonina notarihy. Taorian’izay, dia nisy ny fivoriana natao miaraka amin'ny Antoko TIM sy ireo mpiaradia aminy. Mahomby ny fomba fifandraisan’I Marc Ravalomanana amin’ny fiarahamonina, ka na aiza na aiza aleha, dia vory hatrany ny vahoaka. Tsy mila tambiny na karamaina fa am-pitiavana satria tadiavin’ny olona ny filoha teo, fa tsy tahaka ny hafa. Velona sy miaina ary tafapaka any am-pon’ny olona ny fitiavana sy ny fanantenana, fa I Marc Ravalomanana fa amin’izao fotoana izao, dia Marc Ravalomanana no hany azo hantenaina afaka hanavotra ny firenena eo ambany ziogan’ny fahantrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.