Politique

Ravalomanana tao Mahitsy sy Ankazobe Makotrokotroka ny fandraisana azy


  • Talata 30 Janoary 2018

Taorian’ny tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny, dia tany amin’iny lalàm-pirenena faha-4 iny indray no notsidihin’i Marc Ravalomanana.

Nandalo tao Mahitsy ny tenany omaly, ka nifampitakosona tamin’ny vahoaka tao an-tsena nihinana mofo sy kafe, nanontany ny vidin-javatra. Lasa fahafinaretan’ny rehetra mihitsy ny mandray tanana sy mifampiresaka aminy. Tsy manisy elanelana amin’ny sarambabem-bahoaka fa mahay mitakosona sy mifandray amin’ny sarangan’olona rehetra, toetra efa tsy vaovao amin’ny rehetra intsony. Nihazo an’Ankazobe nihaona tamin’ny mpikatroka maro ny tenany sy ireo delegasionina notarihiny taorian’izay, ka tao anatin’izany no nanaovana ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona. Fandraisana makotrokotroka no natao an’i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia taminy. Vahoaka velom-panantenana sy vonon-kanohana an’i Marc Ravalomanana na amin’ny mora na amin’ny sarotra no nanatrika ny fotoana. Tsy arakaraka ny fanenjehana sy ny fanaratsiana azy andro aman’alina ny fankafizan’ny ny olona an’i Marc Ravalomanana. Na aiza na aiza aleha, dia feno olona resy lahatra sy manohana azy avokoa, eny fa na tsy misy fanentanana be aza amin’ny haino aman-jery aza satria io iaraha-mahita io ny mbola antsojay mahazo ny haino aman-jery MBS. Ezahina dradraina ny hoe tsy tian’ny olona any amin’ny Faritra i Marc Ravalomanana, fa ny eto Antananarivo ihany no mitampikotra aminy, saingy ireny iaraha-mahita ireny ny vahoaka tsy tambo isaina manara-dia sy mandrisika azy na aiza na aiza aleha. Hafa mihitsy ny fomba fanohanan’ny olona azy hoe vokatry ny faharesen-dahatra fa tsy vidiam-bola aman-karena tahaka ny ataon’ny sasany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT