Politique

Ravalomanana tao Antsirabe “Hahita zavatra isika amin’ity herinandro ity !”


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Nafana tanteraka ny hetsiky ny tanora Legalista Vakinankaratra ny sabotsy 10 septambra 2011 lasa teo tao amin’ny Kianjan’ny Magro Avaratsena.

 Tonga maro ny olona nanohina ny antson’ireo mpikarakara ary liana tanteraka amin’ny fivoaran’ny raharahanm-pirenena. Ireo nandaha-teny dia nanamarika fa tsy misy sonia vita sy ekena izany raha tsy ireo filoha roalahy any andafin’ny riaka no tonga miara-manatanteraka izany ary izay ihany no ahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Atoa Lanto Rabenatoandro moa dia nilaza mahitsy fa “aoka tsy hisandoka ny anaran’ny TIM ireo nisintaka fa ny TIM dia izay tapaky ny filoha Marc Ravalomanana ihany no arahiny fa tsy izay lazain’ireo mpamadika manompo ny FAT”. Teny hentitra somary fihantsiana mihitsy aza no nataon’ny Senateran’i Vakinakaratra teo aloha ity nanasa ireo mpisandoka ireo mba hamory ny TIM ao Vakinankaratra raha sahy sy hotsarain’ny vavany.

Ny solombavambahoakan’Antsirabe II teo aloha, Randrianatenaina José, kosa dia nanentana ny firaisankinan’ny rehetra amin’izao faramparan’ny tolona izao satria manomboka betsaka, hoy izy ny mpampiady sy mitetika handrava ny ezaka natao hatramin’izay ary mbola mandeha hatrany ny teritery sy fanambantambazana ireo mpitarika ka ilana fahamailona tanteraka. Nisongadina ihany koa ny fijoroan’ireo solontena avy any amin’ny distrika manodidina toy ny avy any Antanifotsy ka nilazan’izy ireo fa raha ny any ambanivohitra dia i “Dada ary Dada hatrany” ary efa miandry fotsiny ny fotoam-pitsenana ry zareo. Nisy moa ny tafa fohy nataon’ny Filoha Ravalomanana an-tariby, nisaorany ireo tanora nanao ity hetsika miavaka ity ka nilazany tamin’ny teny fohy fa “hahita zavatra isika amin’ity herinandro ity ka mila vonona tsara sy miomana fotsiny ary tsy tokony ho kivy fa mila miray hina hatrany !”.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT