Politique

Ravalomanana tany Frantsa « Mendrika ny ho sambatra ny Malagasy »


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Nazava ny toromariky ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fifampiarahabana sy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny mpanohana rehetra tany Frantsa sy Eoropa natao tao Savigny ny sabotsy 13 janoary teo.

 

Nivoitra ny hanamafisana ny ezaka efa natomboka, ka tsy maintsy miroso hanatratra ny tanjona. Nanao tsy omby aloha ireo Malagasy mpanohana rehetra ao anatin’ny diaspora Malagasy Miray. Tonga avokoa ireo fikambanana samihafa, toy ny TIM Frantsa, GTT IDF, IDMM, ACOREM, Herikerika Madagasikara, Malagasy Mandroso… Fandraisana manetriketrika no natao an’i Marc Ravalomanana, ka tamin-kafaliana tanteraka ny fihaonana. Nambaran’i Marc Ravalomanana, fa zava-dehibe ny taona 2018. Fanantenana sy hany antoka ho an'ny fandresena hahafaha-manarina ny nopotehina io. Namafy izy fa tapa-kevitra ary mametraka ny fanambiny hanao zavatra. Taonan’ny fanantenana ho an'ny fitoniana politika sy ny fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra ny taona 2018, hoy izy. Mahatoky sy manantena ny faharesen-dahatry ny Malagasy any am-pielezana, mba hiaraka hankahery ny Vahoaka Malagasy ny filoha teo aloha, ary indrindra ny fanantenana handresy ny sakantsakana sy ny fampitahorana rehetra. Mila anao sy ny fanampianao feno aho mba hanome hery ahy handroso sy hijanona tsy misy na inona na inona, hoy izy mantsy ireo mantsy ireo Malagasy any am-pielezana. Nandrita io no nanambarany, fa toerana 246 teto Madagasikara no efa notsidihany, ary nahitany ny toetry ny fahapotehan’ny firenena sy ny fijalian’ny mponina izy. Isan’ny noraisiny ho ohatra ny fijaliana ara-tsakafo iainan’ny mponina any Toliara, ny mponina eny amin'ny faritra  Antananarivo dia mibaribary ny fiaretana amin’ny fofona maloto, ny fahatsentsenan’ny lakandrano. Ankoatra izay, alaina an-keriny ny tanin’ny olona. Zava-dehibe ny hamerina indray ny fanantenan’ny Malagasy, indrindra ny fampirisihana azy ireo handray an-tanana ny hoaviny sy ny hoavin’ny firenena. Ilaina ny manome azy ireo amin’ny fomba ny hery mba hamerenana ny fahamendrehan'ny maha olombelona amin'ny vahoaka Malagasy. Mendrika ny fahasambarana lehibe izy na ara-batana na ara-moraly na ara-materialy, hoy i Marc Ravalomanana. Naneho ny fahavononany hiara-kanatratra aminy izay tanjona goavana izay kosa ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany. Tsara ny mampahatsiahy, fa nanafana ny lanonana nandritra ity fihaonana ity ny mpanakanto Bodo sy Vero ao amin’ny Tarika Feon'ala, Mahery ary i Big MJ.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT