Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Zara fa nihaona, nisara-maina


  • Alakamisy 09 Aogositra 2012

Nirava maina indray ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina tatsy Seychelles.

 Fihaonana faharoa io, izay natao tao Victoria renivohitra, raha efa nandamoka tsy nisy fifanarahana vita ny fihaonana voalohany natao tany Descroches, mbola tao amin’ity nosy ity ihany ny 24 sy 25 jolay 2012 teo. Efa nampoizina ihany io, satria vao niainga teto i Andry Rajoelina dia efa tsapa fa tsy manana fahavononana ny hitady vahaolana hamaranana izao krizy efa mitarazoka telo taona sy tapany izao, noho ny fanonganam-panjakana notarihiny. Tsidi-pahitra ihany no nandehanany tany.

Zara fa nihaona antsasakadiny ny roa tonta omaly, na dia nanao izay ho afany nandresy lahatra ny andaniny sy ny ankilany hibanjina ny tombontsoa ambonin’ny firenena aza ny filoha afrikanina tatsimo sady filoha mpitarika ny Troika SADC, Jacob Zuma, sy ny filoha seiseloa, mpampiantrano ny fihaonana, James Michel, niaraka tamin-dry zareo avy eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina. Andrasana ny fampitam-baovao ofisialy hataon’ny SADC mikasika ity fihaonana faharoa ity. Raha ny vaovao taterin’ny AFP, fampitam-baovao frantsay, dia hoe hitohy ny dinika hoy ny mpikarakara, saingy tsy mbola voafaritra hoe rahoviana ary aiza no hatao ? Mbola vonona amin’izay fampihaonana izay ihany koa ny andaniny sy ny ankilany. 

 
Ny talata 07 aogositra no efa samy tonga tao Seychelles ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Omaly tontolo andro dia nifandimby nihaonana tsirairay tamin’i Jacob Zuma sy James Michel, manelanelana amin’ity raharaha ity izy ireo. Omaly tolakandro no natao ny fampihaonana imaso ny roa tonta saingy tsy naharitra afa-tsy telopolo minitra teo izany dia nirava tsy nisy fifanarahana.
 
Mitaky ny fampiharana ny andininy faha-16, 17, 20 amin’ny tondrozotra milaza ny fampitsarana ny fanenjehana ara-pitsarana, ny fahalalahana maneho hevitra sy fahalalahan’ny gazety ary ny fodian’ireo sesitany noho ny antony politika an-tanindrazana indrindra ny filoha Ravalomanana sy ny fandraisan’anjaran’ity farany amin’ny fifidianana ho avy, ny mpomba ny filoha teo aloha. Nanambara ampahibemaso sy tamim-pahasahiana anefa i Andry Rajoelina raha niala teto hihazo an’i Seychelles, fa tsy mahafeno fepetra ary tsy manan-jo hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana. Tombanana ho antony nampandamoka ny fihaonana ireo hevitra mifanipaka ireo, nanampy trotraka ihany koa ny herisetra natao amin-dRtoa Lalao Ravalomanana,  vadin’ny filoha teo aloha, sy Rtoa Gergana vinantovaviny, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato raha tonga teto ny 27 jolay 2012. 
 
Tamin’ny fihaonana voalohany tatsy Seychelles dia nambara dia hiharan’ny sazy izay sakana tsy ahitam-bahaolana ao anatin’ity fihaonana ity. Koa raha nitsako tokoa ny dinika, iza izany no ho voasazy eto ? Omaly ihany moa dia fantatra fa niverina nihazo an’i Afrika Atsimo ny filoha Jacob Zuma. Andrasana ny fampitam-baovao ofisialy hataony amin’ny anaran’ny Troika SADC.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT