Voizina indray ny resaka ankehitriny fa mety samy tsy ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
Raha ny tsiliantsofina re dia ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no efa nanery an-kolaka azy ireo mba tsy hilatsaka hofidina. Efa nisy mihitsy aza moa ny vaovao nivoaka fa hoe nandresy lahatra an'Atoa Ravalomanana mba tsy hirotsaka hofidiana ny filoha Afrikanina Tatsimo, Jacob Zuma. Miverina indray izany ankehitriny ilay fironana manao hoe sady tsy Ravalomanana no tsy Rajoelina. Misy ny mpanao politika efa somary nivoy ihany io foto-kevitra io, tato anatin'ny herintaona izay, saingy tsy dia mbola tena naharesy lahatra ny olona ilay izy. Momba ny sehatra iraisam-pirenena manokana dia nanjavozavo tamin'ny ankamaroan'ny Malagasy ny tena tanjony. Niovaova be ihany koa ny fomba fiasan'ireo mpanelanelana nalefa teto Madagasikara ary tsikaritra ihany, amin'ny fotoana sasany ny fironan'ny sasantsasany amin'izy ireny, any amina ankolafy politika iray. Raha mitombina tokoa io eritreritry ny sehatra iraisam-pirenena handresy lahatra an-dRavalomanana sy Rajoelina tsy ho kandida io, dia tsy maintsy ho hita soritra mandritra ilay fihaonana izany.
Ny mpanao fanadihadiana politika moa dia milaza fa fototra niaingan'ny krizy izy mianaka ireto, ka tokony ho hain'izy ireo ny mikaroka ny ampahany betsaka amin'ny vahaolana, hamahana ilay krizy. Fa raha sanatria kosa tsy mety mifanaraka mihitsy ny roa tonta ka tsy hita ny marimaritra iraisana, dia mipetraka ho olana tokoa amin'ny fiainam-pirenena izany, Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Koa raha io tranga farany io no miseho, dia mety hanery azy ireo tsy handray anjara amin'ny fifidianana, araka ny feo mandeha tokoa ny sehatra iraisam-pirenena, izay matetika efa manana ny kajiny ihany koa ary efa hita tany amina firenena maro fa mamolavola olona apetraka ho filoha ny sehatra iraisam-pirenena. Ny filoha teo aloha moa dia efa nanambara fa tsy maintsy tafaverina eto an-tanindrazana ny tenany no sady ho kandida amin'ny fifidianana. Ny filohan'ny tetezamita kosa tsy tena mbola nanambara mivantana fa hirotsaka hofidiana ny tenany, sarisarin-teny foana no nataony momba io fifidianana filoham-pirenena io, saingy ny mpandinika dia mahatakatra tsara fa manam-paniriana mafy ny ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina. Ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany ihany koa dia mino sy manantena mafy fa ho kandida ny lehiben'izy ireo.
Misy ny politika avo lenta amin'ny famahana ny krizy tahaka, ny misy eto Madagasikara ka izay no antony mampanjavozavo ny zava-drehetra. Mbola voaporofo ihany koa fa maro dia maro ny tsindry bokotra avy any ivelany, ao anatin'ity raharaha ity, ary na i Andry Rajoelina na i Marc Ravalomanana dia samy manana ny mpanohana azy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy maintsy faranana anefa ny krizy, ary ny fifidianana ihany no tena hamaritra izay ankasitrahan'ny vahoaka hitondra ny tany sy ny fanjakana, koa asa hoe inona no mety hitranga eto, raha samy tsy kandida marina izy mianaka ireto ? Misy mpanao politika hafa, ankoatr'ireo ve tena mahazo ny fon'ny Malagasy sady manana ny traikefa sy fahaizamanao hanarenana ity firenena ity, sa kosa efa manana kandida maha mandrimandry ny sainy ny sehatra iraisam-pirenena ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.