Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.
Niala teto Madagasikara ny 11 janoary teo i Marc Ravalomanana namonjy ny fihaonana sy ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona tamin’ireo Malagasy mpila ravinahitra any Frantsa sy Eoropa. Ny 12 janoary ihany koa no nandao an’i Madagasikara ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Tsy tongatonga ho azy ireny fanambaran’i Marc Ravalomanana ny 9 janoary ireny, fa afaka miresaka tsara amin’i Andry Rajoelina ny tenany raha ilaina ka mahasoa ny firenena. Avelao ny lasa homba ny lasa fa ny tombontsoan’ny firenena no jerena, hoy izy. Kristianina ny tena ka tsy manana vokatsoa hanakiana na hamalifaty amin’iza na iza. Tena fahadisoana be raha tsy miresaka ny samy Malagasy ho fampandrosoana an’ity firenena ity. Marihiko kosa anefa fa tsy mbola fahita maneran-tany raha tsy teto amintsika ny hoe : “ny mpanogam-panjakana indray no voaaro fa ny naongana henjehina sy hilana antsojay”, hoy izy. Mety nisy ve ny fifanatonana sy fihaonana manokana teo amin’izy mirahalahy mianaka ireo, izay toa nifanao aloha sy aoriana nihazo an’i Frantsa ? Niaraha-nahita sy tsy mila ampahatsiahivina intsony ny zava-nisy tany amin’ny taona 2009, saingy nandeha ihany koa ny volana sy ny taona izay nampitsimbadika ny tontolo politika teto Madagasikara. Iaraha-mahita ny rivotra politika eto Madagasikara ankehitriny ary misy ny teboka mety hiraisan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, raha tsy hilaza afa tsy ny resaka fanenjehan’ny HVM. Fanontaniana mipetraka sy miteraka adihevitra goavana eo amin’ny mpanohana ny an-daniny sy ny an-kilany ny hoe hifanohana ve izy ireo amin’ny fifidianana ? Tsy misy afaka ny hamaly izany aloha, fa ny any aoriana no hitsara. Ny mety ho fifampiresahana na fifandaminana na fifamelan-keloka ihany koa tsy tonga dia azo adika avy hatrany fa fifanohanana avy hatrany amin’ny fifidianana. Lojikan’ny politika ny tsy fitovian-kevitra, ary lojika ihany koa ny fifampiresahana sy ny fifanazavana aty aoriana, ary mety ny zavatra tahaka izany mety handeha eny antsefatsefam-potoana eny, izay tsy voatery ho fantatry ny besinimaro. Tsy vaovao amin’ny rehetra ny zava-nisy teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, saingy tsy midika velively ireny fa tsy afaka ny hifanatona na hifampiresaka izy ireo aty aoriana. Mifamatotra amin’ny sehatra politika eto amintsika hatrany ny fomba fijery na ny toromariky ny sehatra iraisam-pirenena sy ny firenen-dehibe niantefa na hiantefa amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ? Ny ho avy no hanambara azy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.