Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Hovizanina amin’ny raharaham-pitsarana


  • Zoma 12 Janoary 2018

Tsy misy ny kisendrasendra amin’ny fanapahan-kevitra politika mitranga eto amin’ny firenena fa misy antony sy tanjona avokoa. Notendrena ho tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana eto Antananarivo ny 8 novambra 2017 Atoa Charles Andriamiseza,

 minisitry ny fitsarana teo aloha. Izy ilay nanakiana mafy ny Bianco tamin’ny fisamborana an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy. Re fa manana « mission » mazava tsara izy dia ny hanara-maso akaiky ny dosie « Ravalomanana » sy « Rajoelina ». Tsy takona afenina intsony mantsy fa misy ny paika sy tetika hanilihana  na hanembantsembanana ireto kandida 2 ireto amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Io efa nanomboka nipoitra ny faran’ny taona 2017 io ny raharaha 7 febroary hanenjehana an’i Marc Ravalomanana ka mety hahazoany sazy faran’izay henjana. Filoham-pirenena am-perinasa izy tamin’ny 7 febroary 2009 ka tokony ho ilay « Haute Cour de Justice » no mitsara azy. Efa natsangana izy io amin’izao fotoana na dia tsy ampy isa aza. Resaka mandeha be tato anatin’ny andro vitsy fa haverina ny raharaham-pitsarana momba ny 7 febroary 2009, famerenana izay tsy tongatonga ho azy fa misy antony dia ny hanembatsembanana an’i Marc Ravalomanana na tena mety hanagadrana azy mihitsy aza. Re fa efa misy andiana mpahay lalàna any ambadibadika any mijery ihany koa ny fomba hahafahana manenjika ara-pitsarana an’i Andry Rajoelina, ka mety ho anisan’ny vesatra hanenjehana azy ny resaka heloka ara-ketra sy ny fanimbana fananam-bahoaka noho ny fanapotehana ny RNM sy TVM nandritra ny fihetsiketsehana notarihany tamin’ny 2009. Tsy manana satana filoham-pirenena voafidy ara-pomba demokratika i Andry Rajoelina ka azo tsaraina tsara amin’ny fitsarana ady heloka tsotra tahaka ny olon-drehetra. Efa tena misy ny ezaka ataon’ny mpitsara, saingy ny hita taratra amin’ny zava-miranga aloha dia mbola miditra lalina amin’ny fitsarana ny politika eto Madagasikara ary mametraka hatrany ny olony eo anivon’ireo rafitra ao anaty fitsarana mba hanatateraka ny baikony ny mpitondra fanjakana.Aoka tsy hohadinoina fa io fivezivezena isaky ny mihetsika eny amin’ny fitsarana io no nahalefy ny herin’i Nicolas Sarkozy tany Frantsa ka tsy nahatafita azy akory tamin’ny fifidianana savaranon’ando ary tsy nahafahany nirotsaka ho kandida filoham-pirenena avy eo. Tsy hoe nigadra izy fa tarazohan’ny raharaham-pitsarana isam-bolana, ary niharan’izany koa ireo mpiara-miasa akaiky aminy, eny hatramin’ny mpisolovava azy aza. Tsy dia mifanalavitra amin’izany ny fitrangan-javatra eto Madagasikara fa dia misy manao fitaovana politika tsotra izao ny fitsarana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT