Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Hihaona ihany !


  • Alatsinainy 04 Jona 2012

Mitety tanàna, mandalo vohitra maro ary mamakivaky lohasaha ny renirano, fa tsy maintsy mivarina any an-dranomasina ihany ny fiafarany. Izay no azo amintinana ny fehin-kevitry ny SADC nivory tsy ara-potoana tany Luanda renivohitr’i Angola, ny faran’ny herinandro teo.

 Nambara fa tsy maintsy mihaona ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, mba hahafahana mampihatra araka ny tokony ho izy sy manontolo ny tondrozotra, ary koa mba hahafahana mametraka filaminana sy fitoniana mialoha ny fifidianana. Mialoha io fanapahan-kevitra nivoaka tany Luanda io dia efa nifampiresaka ny amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara ny filoha Afrikana Tatsimo Jacob Zuma, nitantana ny SADC teo aloha sy Eduardo Dos Santos filohan’i Angola no sady filoha am-perinasan’ity vondrom-pifanakalozana ara-barotra lehibe aty atsinanan’i Afrika ity. Nomena baiko hentitra Atoa Joaquim Chissano sy Troika ary ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto Antananarivo mba hanomana io fihaonana io. Marihina tsara fa tsy hoe soso-kevitra io fa baiko hentitra, tsy maintsy tanterahana ny fifampiresahana eo amin-dRajoelina sy Ravalomanana satria, avy amin’izy ireo no niaingan’ny krizy. Mahafantatra zavatra maro momba an’i Madagasikara izy ireo no mahalala tsara koa ny zava-nitranga rehetra tamin’ireny 2009 ireny, no sady mahatadidy tsara ny nataony tsirairay avy.

Efa im-polo kely ny teto amin’ny Tia Tanindrazana no nilaza tamin’ny famakafakana natao teto, ny amin’ny tsy maintsy hifanatrehan’ny roa tonta. Tsy tonga dia hilamina ny krizy raha tafahaona i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, fa kosa izay no dingana tena goavana amin’ny famahana ny krizy. Efa endrika fampihavanana koa izy io, ary ohatra tsara ho an’ny mpanao politika rehetra. Tsy misy soa azo amin’ny fifanenjehana sy fifandranitana izany. Dinika ambony latabatra no nampitsahatra ny ady rehetra teto ambonin’ny tany, dinika ambony latabatra no namoahana fehin-kevitra sy vahaolana nampisindana ny krizy maro samihafa. Tsara homarihana ihany fa efa nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola, tamin’ny febroary 2009, ka ny FFKM no nanelanelana tamin’io. Tsy nahomby anefa izany, nisy ihany koa ny fifampidinihana saika natao tao amin’ny Carlton, taorian’io saingy nandamoka. Ny volana aogositra 2009, tany Maputo, dia efa nisy ihany ny fihaonana tselatra teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, saingy tsy namokatra izy io.

Atoa Ravalomanana moa dia efa hatry ny ela no vonona sy niomana amin’izao "face à face" izao. I Andry Rajoelina sy ny ekipany kosa dia tsikaritra ihany, fa niala bala tamin’izany hatrany. Efa namoaka vava mihitsy aza, izy ireo hoe tsy mifampidinika amin’ny mpamono olona, hono (?). Tato anatin’ny herinandro telo teo kosa, indrindra fa taorian’ny nihaonany tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban-ki Moon, sy ny filoha am-perinasan’ny SADC, Eduardo dos Santos, dia tsapa ho nanomboka niova fomba firesaka i Andry Rajoelina ka tsy nivatravatra nanakiana ny filoha teo aloha intsony, fa milaza ny vonona amin’ny fifampiresahana noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

Ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa dia hita fa resy lahatra ny amin’ny tsy maintsy hihaonan’ireto filohan’ny ankolafy roa ireto, satria any amin’izy ireo ny ampahany betsaka amin’ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Ekena fa maromaro ny antoko sy vondrona politika eto, fa kosa misongadina ny mpomba an-dRajoelina sy ny mpomba an-dRavalomanana. Ela ny ela izany ka hihaona ihany i Dada sy i Zandry Kely ! Tsy mbola misy daty mazava momba ilay fihaonana aloha hatramin’izao, tsy mbola fantatra koa ny toerana na eto Madagasikara na any ivelany. Ny azo antoka dia tsy maintsy hihaona ny roa tonta. Miha mazava ihany koa izao fa tsy hisy intsony ny fisamborana sy fanagadrana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria mifanipaka tanteraka amin’ny ezaka hampihavanana sy hametrahana ny fitoniana eto Madagasikara izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT