Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Hanao “2čme tour”


  • Zoma 27 Jolay 2012

Mbola hisy indray ny fihaonana fanindroany eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, mety ato anatin’ny 15 andro no hanatanterahana izany any Maputo

 Mazava, araka izany, fa tsy mbola nisy ny marimaritra iraisana na fifanarahana vita tany Desroches Seychelles  fa nijanona teo amin’ny fanangonana ny hevitry ny andaniny sy ny ankilany ary tsy maintsy hitohy ny adihevitra. Misy isan-karazany moa ny tombantombana ny amin’ny mety ho endriky ny fifanarahana mivoaka eo. Ao ohatra ny hoe samy kandida izy mianaka ka dia aleo ny vahoaka no hitsara. Ao koa ny mahita fa hoe ekena ny fodian’i Marc Ravalomanana, omena famotsoran-keloka izy saingy tsy kandida, ary tsy kandida tahaka azy koa i Andry Rajoelina. Ity tranga farany ity no anisan’ny be mpiresaka eo amin’ny sehatra politika tato ho ato izay, ary tsy teto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany. Nisy mihitsy aza ny vaovao nivoaka milaza fa manery an-kolaka ity filoha teo aloha ity sy ny filohan’ny tetezamita mba tsy ho kandida ny sehatra iraisam-pirenena, noho izy ireo tsy mety mifanara-tsaina.

Mety efa misy kajy politika avo lenta koa anefa ao ambadik’izany. Misy koa ny alaim-panahy mieritreritra fa mbola misy paikady amin’ny fanilihana an’i Marc Ravalomanana ihany ao anatin’izao dingana arahana amin’ny famahana ny krizy izao; ary misy dian-tanan’ny Frantsay amin’io. Maro anefa no mihevitra koa fa manohana hatramin’ny farany ity filoha teo aloha ity, ny Amerikanina, koa noho izany dia tsy ho mora ny hanilika azy amin’ny fiainana politika eto Madagasikara. I Etazonia rahateo dia manana tombontsoa arovana eto ary, tsy hanaiky hosongonan’i Frantsa moramora izany.

Misy ny zavatra hita maso, fa maro be koa ny tsy hita maso amin’ny politika sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ny SADC izao tamin’ny fiandohan’ny volana jona namoaka fanambarana hentitra fa tsy maintsy mihaona haingana Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana. Ea ho 55 andro aty aoriana anefa vao tanteraka izany. Nivoaka indray ny fanambarana fa tsy maintsy mahita marimaritra iraisana mialoha ny 31 jolay ny roa tonta, izany hoe afaka herinandro, izao anefa toa hoe mbola afaka 15 andro indray, izany hoe any ho any amin’ny 10 aogositra any izany. Miovaova, tsy hita be ihany ilay fomba fiasa, tsy resaka tsy fahaizana anefa io fa mety noho ny teny midina avy any amin’ny firenena matanjaka. Ka tsy mahagaga ihany koa raha hisy fampiantsoana fihaonana tampoka amin’izy mirahalahy ireto, afaka andro vitsivitsy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT