Nihaona sy nifampiresaka teny Ivandry omaly ny filoha teo aloha mirahalahy Marc Ravalomanana sy Albert Zafy.
Raha ny fikaroham-baovao natao dia nanomboka tamin’ny 11 ora ny fihaonana ary nifarana tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo. Na dia tsy nisy nipika aza ny resaka ary tsy natrehana mpanao gazety ihany koa dia azo antoka fa nifantoka tamin’ny raharaham-pirenena sy ny fampihavanam-pirenena ary ny fifidianana ho avy manaraka. Efa mpiresaka matetika ireto filoha mirahalahy ireto ary miresaka io raharaham-pirenena io. Samy olon’ny fampihavanana na i Marc Ravalomanana na i Zafy Albert, ity farany izay efa hatramin’ny 2002 no nitaky ny hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena noho ny olana ara-politika niteraka fifanandrinana sy fifanandrafiana eo amin’ny samy Malagasy. Mitranga roa andro taorian’ny fihaonan’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha izao fihaonan’i Dada sy i Profesora teny Ivandry izao. Inoana fa tsy tongatonga ho azy fa misy antony manokana satria misimisy ihany ny zavatra nambaran’ny filoham-pirenena tamin’io sabotsy io. Fanambarana izay nampiseho mazava fa manam-paniriana hikitika ny lalàmpanorenana mialoha ny fifidianana izy ary efa tahaka ny milaza sahady fa tsy matahotra na iza na iza. Mbola ao anatin’ny adihevitra be tsy mety vita ihany koa amin’izao fotoana ny resaka « ni…ni » na ny fanakanana ny filatsahan-kofidiana kandida izatsy na izaroa tahaka ny tamin’ny 2013. Eo amin’ny tontolo politika amin’ny ankapobeny kosa dia ireto filoha mirahalahy ireto sy ny mpanara-dia azy no azo sokajiana aloha hatreto fa matanjaka ary mahavita manohitra ny fitondrana HVM, tombony ho azy ireo raha oharina amin’ny mpanao politika hafa rahateo ny efa naha filoham-pirenena azy ireo izay midika ho fananana traikefa amin’ny lafin-javatra maro mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Tsy nisy moa ny fanambarana ofisialy saingy andrasan’ny maro ny andinindininy sy ny mety ho tao ambadik’izao fihaonan’ny Pr Zafy Albert sy Marc Ravalomanana teny Ivandry izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.