Politique

Ravalomanana sy ny TIM Tsara toerana indrindra hanarina ny firenena


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Miha mitotongana andro aman’alina ny fanaovana politika eto amintsika.

Resaka fotsiny sisa ilay antsoina hoe deontolojia sy etika raha mijery ny zava-misy mitranga rehetra tao anatin’izay 8 taona farany izay ary dia tsy mila hamarinina amina porofo vao hokarohina intsony angamba fa tonga amin’ilay fitenin-jatovo hoe “vakiana fotsiny”. Mazava ankehitriny fa tsy manana fahamatorana ara-politika ny fitondrana tetezamita nanomboka tamin’ny taona 2009 sy ny fitondrana HVM izay nandray fitondrana ny taona 2014. Ny loza dia tsy manana fahamatorana ara-pitantanana ihany koa. Mibaribary izao fa tamin’ny 2008 no nety indrindra ny fari-piainan’ny Malagasy fa krizy 8 taona no taorian’io ary tena potika ny firenena.

 

Alain-tahaka

 

Tsy misy ny tonga lafatra fa hatreto, matoa mbola alain’ny rehetra tahaka ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny antoko naoriny Tiako I Madagasikara na ny TIM, dia nisy fomba fanaovana politika na fitantanana firenena matotra hita taratra tao. Ny rafitra rehetra ampiasaina eto amin’ny firenena ankehitriny dia mbola tsy niova ny ankamaroany fa mbola ireo napetrak’ity filoha teo aloha ity avokoa. Anisan’ireny ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco izay hita ho manelingelina ny afera malotona mpitondra fanjakana maro ka dia hitsahana an-tampon-doha ankehitriny ny fahefany. Eo koa ny rafitra EDBM, izay eo anivon’ny minisiteran’ny indostria, ny “guichet unique” sy ilay fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny 3P. Nolazaina fa tsy nahavita na inona na inona daholo izany tamin’ny fotoan’androny kanefa dia mbola nodimbiasan’ny tetezamita sy ny HVM ihany. Ravalomanana sy ny ekipany hatreto dia mbola tazana hatrany fa olon’ny fifampiresahana, raha toa ka an-terisetra sy tamin’ny alalan’ny karnem-pokontany no nandanian’ny fitondrana tetezamita ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 tamin’ny taona 2010. An-terisetra ihany koa no nametrahana ny minisitry ny fambolena teo aloha, Rivo Rakotovao ho filohan’ny antenimieran-doholona sy ny nanaovana ilay dinika politika momba ny lalàmpanorenana izay notontosaina an-kolaka andro alakamisy nefa ny zoma ampitson’io no nifanarahana. Ampahany ireo fa tsy ilaina tanisaina intsony angamba ny delestazy izay tsy mety voavaha ankehitriny kanefa  dia 3 volana monja no nampanantenana hanafoanana azy ny taona 2014.

 

J. Mirija 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT