Vita ny zoma 25 janoary teo ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona 2019 ho an’ny TIM.K25. Tsy mijanona hatreo anefa ny asan’ny K25 fa hitohy ny fandraisana anjara amin’ny fiainam-pirenena,
hotohizana ny fiarahana, hoentina hanatanterahana ny raharaham-pirenena ho fanaraha-maso ny mpitondra ankehitriny. Hapetraka ny vovonana na “plateforme” lehibe, izay vondron’antoko betsaka amin’izay mipetraka tsara ny tanjany hahafaha-miatrika ny fifidianana rehetra sy ny raharaham-pirenena. Manoloana ny siosion-dresaka sy ny mety ho fikatsahana hanolo ny Ben’ny tanàna ho PDS sy ny fangatahan’ny filoha vaovao Andry Rajoelina hanao lalàna amin’ny alalan’ny “ordonnance” amin’izao tsy maha eo intsony ny solombavambahoaka izay mandrafitra ny antenimieram-pirenena, dia nambaran-dRamatoa Eliana Bezaza fa tsy araka ny lalàna izany. Tsara rahateo ny manamarika fa niantso ny parlemanta hanao fivoriana tsy ara-potoana ny filoha vaovao nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, izay heverina fa misy lalàna tiana hamboarina hifanaraka amin’izay mety amin’ny mpitondra ao. Efa ho tapitra amin’ny 5 febroary ny fe-potoam-piasan’ireo solombavambahoaka, kanefa hatreto aloha tsy mbola mazava ny mahakasika ny fifidianana depiote fa miandry fitsipi-dalao mazava hifanaovana, raha ny nambaran’i Eliana Bezaza, izay nanamafy fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny K25. Tandindonin-doza amin’ny lafiny maro ny firenena, ka soa ihany mba nisy mpitarika na “leader” iray nitsangana dia i Marc Ravalomanana, izay tohanan’ny besinimaro, ka izay angamba no hanaovako vazivazy amin’ny hoe : “ny fitiavana no lehibe indrindra”, dia kanefa vao tafapetraka ianao dia efa manangam-pahavalo, ary ny jiolahim-boto aza any amin’ny baolina mifandray tanana rehefa vita ny lalao, hoy kosa i James Ratsima eo anatrehan’ny karazana fanenjehana na mety ho fisamborana mahazo ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Manambatra ny heriny eo anatrehan’ireny ihany koa ny K25, ary mitohy ny amin’ny endriny hafa ny tolona hametrahana ny fahamarinana, rehefa dinihina. Hanara-maso ny toky nataon’ny fitondrana, ary tsy afaka hipetra-potsiny satria manana ny fitiavana ny tanindrazana isika, hoy Rtoa Ramampy Marie Zenaïd. Miantso ireo fikambanana, fiarahamonim-pirenena, antoko na vondron-kery politika, indrindra fa ireo olom-pirenena rehetra mazoto resy lahatra ka vonona hiditra sy hifanome tanana amin’ny fananganana ilay “Plateforme” ny K25 ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.