Akaiky ny fifidianana ary efa samy hita ho miomana amin’izany daholo, indrindra ireo kandida sy antoko heverina ho goavana.
Nivahiny tao amin’ny fandaharana Tsikaritra tao amin’ny radio Aceem omaly ny depiote lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara tao amin’ny boriborintany faha-5, Guy Rivo Randrianarisoa, izay sady kestora voalohany eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Nilaza ny tenany fa tsy mbola nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana mihitsy hatreto ny antoko TIM satria ny propagandy dia mamory vahoaka dia milaza hoe fidio ity kandida ity ary ity no fandaharany. Ny TIM kosa dia tsy mbola nanao afa-tsy ny nidina ifotony nihaino ny hetahetam-bahoaka. Adidin’ny antoko politika no manao izany satria mila fantarina mialoha ny olan’ny vahoaka mialoha ny hitondrana. Mikasika ny vinan’ny antoko kosa dia nanambara ny tenany fa raha samy maniry fisandratana ny hafa izay samy nipoitra tamin’ny fanonganam-panjakana, ny TIM kosa tsy miala amin’ny Madagasikara am-perinasa na ny MAP. Mety niova kely fotsiny ny voarakitra ao anatiny fa azo antoka fa hitondra an’i Madagasikara ho any amin’ny fampandrosoana toy ilay teo aloha ihany. Anisan’ny itiavako ny filoha Ravalomanana, hoy hatrany ity TIM mafana fo ity, dia satria ny anay asa fa tsy teoria. Izy ihany no afaka nanaporofo fa azo atao ny mitondra fampandrosoana tao anaty 10 taona ary izay no hanohanako ny filatsahany amin’ny heriko rehetra na dia nodorana aza ny tranoko.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.