Mitodika any Desroches, nosy kely mitokana any atsimo andrefan’i Mahé Seychelles, ny sain’ny Malagasy 20 tapitrisa sy ny mpanara-baovao eran-tany amin’ity 25 jolay, alarobia tsy miverina ity.
Hiroso amin’ny fampifanatrehana imaso an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina ny SADC anio. Efa samy any an-toerana hatry ny omaly rahateo ny roa tonta. “Manan-tantara ary hamaritra ny hoavin’i Madagasikara ity fihaonana ity”, hoy ny filohan’i Seychelles, James Michel, tamin’ny lahateny nataony raha nandray miaraka azy roa ireto omaly, natrehin’ny delegasionan’ny andaniny sy ny ankilany avy. Rajoelina ombam-bady sy ny Tale misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny tetezamita, Rtoa Annick Rajaona sy Ratsirahonana Norbert Lala (mpanolotsainy manokana) ary Maharante Jean de Dieu (mpitsara sady mpahay lalàna sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita). Tsy misy delegasiona avy aty Madagasikara kosa nihazo an’i Seychelles, raha ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa mpiara-miasa akaiky aminy any Afrika Atsimo no miara-dia aminy any. “Manantena izahay fa ity fihaonana manan-tantara ity dia hanokatra tontolo vaovao ho an’i Madagasikara sy ny Faritra (SADC)”, hoy hatrany ny filoha James Michel.
Ity farany izay niantso ireo tompon’andraikitra Malagasy ireo mba hanalavitra ny fihantsiana na fifanasana vangy, fa “avelao ny fotoana no hanasitrana ny ratra naterak’izay telo taonan’ny krizy izay”, hoy izy. Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny governemanta seiseloa niatrika ity fihaonana savaranonando omaly ity dia nifandray tanana Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary nifampiresaka fohy taorian’ny lahateny fanokafana nataon’ny filoha James Michel. Taorian’izay dia nivory avy hatrany, tsy natrehin’izy ireo, ny delegasiona avy amin’ny andaniny sy ny ankilany niaraka tamin’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC, ahitana an’Atoa Marius Fransman sy ny mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indianina.
Fandeferana lehibe
Hiroso amin’ny fivoriana tsy azon’iza n’iza atrehina ny roa tonta anio. Anisan’ny zavatra mbola mampifanolana ny fiverenan’ny filoha teo aloha an-tanindrazana, ny raharaham-pitsarana mihatra aminy ary koa ny resaka filatsahan-kofidiana na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny mey na jona 2013. Mikasika ny fodiana anefa dia efa mazava ny voasoratra ao anatin’ny tondrozotra, araka ny andininy faha-20, fa toy ireo sesitany politika rehetra dia mody tsy misy fepetra an-tanindrazana izy, ka tsy misy adihevitra ny amin’iny. Ireo mpanao sonia ny tondrozotra rahateo mitaky ny tsy hikitihana izay voasoratra. Ny amin’ny raharaham-pitsarana indray dia mazava koa ny amin’io fa fitsarana tsy mahefa no nitsara an-dRavalomanana ary tsy voahaja ny tsy fitanilana sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Ny amin’ny filatsahan-kofidiana indray dia zon’ny olom-pirenena ny milatsaka hofidiana, ary ny masimandidy ny vahoaka hifidy izay olona hitondra ny fireneny. Lalàna iraisam-pirenena io. Mba hahagaga ihany koa raha toa ka ny mpanongam-panjakana indray no hisakana ny filatsahan-kofidiana olom-pirenena iray. Raha ny fifanarahan’i Cotonou, izay nankatoavintsika rahateo aza dia ny mpanongam-panjakana mihitsy no tsy mahazo milatsaka hofidiana. Koa raha io filatsahan-kofidiana no resahina io dia fandeferana lehibe no ataon-dRavalomanana raha mamela an’i Andry Rajoelina hilatsaka.
Lavitry ny camera sy ny fakan-tsary ny fihaonana tanterahina ao Desroches-Seychelles io. Sarotra, araka izany, ny fahazoam-baovao. Ny hany re dia efa mipetrapetraka ny zava-drehetra ary amin’ny endriny hafa mihitsy no hitantanan’ny SADC ny fihaonana. Manana fomba fiasa manokana amin’ny zavatra tahaka izao tokoa mantsy ny sehatra iraisam-pirenena, ary tena havanana amin’izany ireo tany mampiasa ny fiteny Anglisy. Mety ho anisan’ny teknika hampiasaina ohatra ny fanoratana an-taratasy ny resaka rehetra izay zavatra mampitovy hevitra ny roa tonta aloha, ary aravona avy hatrany ny hevitra amin’izany. Jerena ihany koa ny tanjona kinendrin’ny roa tonta dia atambatra ireny, ary avy eo vao resahana ny zavatra mampifanolana.
Ny antony dia atomboka tsimoramora sy ao anatin’ny filaminana tanteraka aloha ny resaka, mba hampisosa tsara ny ambiny ka efa mba misy aloha ny zavatra mampifanaraka vao miditra amin’ny zavatra mampifanolana. Raha tonga dia mifanolana any am-boalohany mantsy dia mety tsy hisy zava-banona eo na ny iray aza. Fomba fiasa amin’ny fifampiraharahana sy fampihavanana moa izany ary efa nampiasaina tamina firenena maro. Miandry ny rehetra raha hihatra amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izy io. Ho fantatra amin’ity alarobia ity, raha ny tokony ho izy ny votoatin-dresaka tany Seychelles ary farafahatarany dia hisy ny fifanaovan-tsonia rahampitso alakamisy.
Marihina fa any Seychelles koa ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma, amin’ny maha filohan’ny Troika-SADC azy hanao izay hampahomby ity fihaonana ity, araka ny nambaran’i Mac Maharaj, mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Repoblika afrikanina atsimo.
RTT sy Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.