Politique

Ravalomanana-Rajoelina 10 taona nifandirana


  • Alatsinainy 16 Jolay 2012

Raha tsy misy indray ny fiovana, andro sisa isaina dia hihaona imaso Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

 Maro ny Malagasy manantena fa hahay handravona ny tsy fitovian-keviny sy izay zavatra rehetra nifandirany tato anatin'ny folo taona izy ireo, ka mba tena hisy dingana lehibe amin'izay amin'ny famahana ny krizy. Fa inona marina moa no fototry ny olana teo amin'ny roa tonta ? 

Dokambarotra nampiady 

Ireo maharaka tsara ny tantara dia mahafantatra fa tsy vao tamin'ny 2009 akory no nifanandrina Atoa Ravalomanana sy Rajoelina. Tamin'ny 2002 - 2003 dia efa nisy ny karazana disadisa teo amin'ny mpiara-dia tamin'ny filoha Ravalomanana sy ny orinasa notantanan'i Andry Rajoelina, dia ny Injet izany. Nihazakazaka tamin'ny fampiasana ny teknôlôjia amin'ny resaka dokambarotra ity orinasa ity, ary ny ankamaroan'ireo takelaby goavana nisy teto Antananarivo sy tany amin'ny faritra maro manerana ny nosy dia azy (fianakaviany) avokoa. Eny fa na dia ny Tiko aza dia niara-niasa tamin'ny Injet tamin'ny dokambarotra sasany nataony. Nirenty ny takelaby vaventin'ny Injet teto an-drenivohitra. Nilaza ny CUA (Kaomin'Antananarivo Renivohitra) fa misy tsy manara-dalàna, satria tsy manaja ny refy ny takelaby sasany. Anisan'izany ireo takelaby mihetsika, miisa telo teny Antanimena. Tsy nilefitra anefa ny Injet ary nilaza fa mety ny nataony. Niakatra ny maripana ary nongotan'ny Kaominina ireo takelaby misy dokambarotra teny Antanimena ireo. Taorian'izay dia tsy nitsahatra ny nitaraina tamin'ny ambarany fa tsy rariny sy antsojay nihatra taminy ny Injet. Taty aoriana moa dia nitatra tany amin'ny resaka hetra koa ny resaka, nambaran'ny fanjakana fa tsy nahaloa hetra ara-dalàna ny orinasan'i Andry Rajoelina. Taty amin'ny 2005 dia nisy ny karazana famitranam-pihavanana, tsy ofisialy natao. Nitsidika ny MBS teny Anosipatrana i Andry  Rajoelina ary hita fa tena liana tamin'ny fotodrafitrasa momba ny haino aman-jery nisy tao. Samy nahatadidy ny rehetra fa taorian'io dia ny Injet no nisahana ny resaka dokambarotra amin'ny takelaby, an'ny MBS Radio sy TV ka nahatazanana izany teny Analakely, Ambohijatovo, Antanimena ary teny amin'ny «route digue». 

Politika no vahaolana ? 

Herintaona taorian'io dia nifanaraka tamin'ny Fianakaviana Ratsirahonana i Andry Rajoelina ka nividy ny haino aman-jery Ravinala. Teraka taorian’io ny VIVA, ary nanomboka niditra tamin'ny tontolo politika amin'izay ny filoha tale jeneralin'ny Injet. Nanapa-kevitra ny ho kandida amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna teto Antananarivo izy, ka kandida noheverina fa lehibe hifanandrina taminy Atoa Hery Rafalimanana, tale jeneralin'ny Magro ary kandida natolotry ny Tiako i Madagasikara, antoko teo amin'ny fitondrana.

Henjana ny propagandy. Samy niezaka nampiasa ny fahaiza-manaony sy ny fitaovan-tserasera teo am-pelatanany ny roa tonta. Nitobaka ny vola ary tena nahaliana ny olona ny zava-nitranga. Rehefa natao anefa ny latsa-bato dia nazava fa nivoaka ho mpandresy (63%) i Andry Rajoelina, 33 taona. Maro no nilaza fa fanairana an'i Marc Ravalomanana ny antony tsy nifidianan'Antananarivo ny kandidan'ny Tiako i Madagasikara. Nisy koa ireo mpandinika politika nilaza, tamin'izany fotoana fa fomba nahafahan'i Andry Rajoelina niaro ny orinasany ny nahazoany toerana politika, ka izay no anisan'ny antony tena nanosika azy hirotsaka hofidiana Ben'ny tanàna. Antananarivo Renivohitra rahateo manana sata manokana ary goavana kokoa ny fahefan'izay Ben'ny tanàna mitantana azy. 

Davida sy Goliata 

Valo taona taty aoriana, dia tahaka ny hoe : niverina ny tantara tamin'ny 1999 ka nahavoafidy an'i Marc Ravalomanana ho Ben'ny tanàna. Niharan'ny antsojain'ny fitondrana Ratsiraka koa mantsy ny Filoha tale jeneralin'ny Tiko fony izy nilatsaka hofidiana. Nanomboka niova ny resaka, ka nisy ampahany tamin'ny mpanao politika nahita fa i Andry Rajoelina no mety afaka manongana an'ingahy Ravalomanana eo amin’ny fitondrana. Tao anatin'izay moa dia nitombo ny fifanolanana isan-tsokajiny teo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fitondrana foibe. Nivoaka ny resaka fa hoe horoahan'ny Kaominina ary tsy maintsy hiala ao Anosipatrana ny MBS, orinasa iray tao anatin'ny vondrona Tiko.

Misy ny fotoana, tsy nahatazanana ny Ben'ny tanàna tamina lanonana ofisialy. Nigadona ny 2008, niantso ireo mpanao politika i Andry Rajoelina, nihaona teny amin'ny La Rotonde Besarety izy ireo. Nivoaka amin'izay ny resaka fa hoe : tsy mety intsony ny ataon'ny fitondrana Ravalomanana, ary tsy azo ekena ny jadona. Nahery vaika ny fanakianana ny fitondrana tao amin'ny onjampeo VIVA. Nakatona moa ity farany rehefa nandefa horonantsarin'ny amiraly Ratsiraka nanaratsy sy nanakiana mafy an'i Marc Ravalomanana, ny 12 desambra 2008. Teo no nihamafy amin'izay ny fifandirana, dia ireny niaraha-nahita ireny ny tohiny, fa i Andry Rajoelina mihitsy no nitarika ny fanonganana an-dRavalomanana. Nirehareha taorian'io ireo mpomba an-dRajoelina, fa hoe resin'i Davida kely, hono, i Goliata ! 

Amerikanina sy Frantsay 

Izay ny zava-nisy araka ny tantara tamin’ny ambangovangony. Ankoatra io moa dia mbola maro ny resaka an-jorony tahaka ny hoe efa nanana fifandraisana manokana, tamin'ny zanaka vavin'Atoa Ravalomanana, tany aloha tany i Andry Rajoelina ka tsy nankasitrahan'i Marc Ravalomanana. Resaka mandeha tsy misy porofo mazava moa izy io. Tamin'ny fotoana tena nampamaivay ny krizy koa dia efa nilaza i Marc Ravalomanana fa ny Frantsay no ao ambadik'i Andry Rajoelina ka mikasa ny hanongana azy. Ny Amerikana izay ambaran'ny maro fa miaraka amin'i Marc Ravalomanana ihany koa dia mampiseho mazava fa tsy mankasitraka an'i Andry Rajoelina, hatramin'izay ka hatramin'izao. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : hahavita hampangina ny hambom-pony ve ny roa tonta, ka hahay hiresaka amin-kitsim-po sy tena hijery marina ny tombontsoa ambonin'ny firenena ? “Tsy misy tsy vitan'ny resaka !”, hoy ny Malagasy koa dia ho hita eo. 
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT