Politique

Ravalomanana, olon’i Afrika 2017 Tandindon’ny fifidianana 2018


  • Talata 02 Janoary 2018

Ny taona 2017 no tapitra hatreo, fa ny fifidianana izay ho olon’i Afrika 2017 na ilay antsoina hoe “ALM Person of the year 2017” karakarain’ny gazety boky African Leadership Magazine kosa mbola mitohy hatrany, ka ny 5 janoary amin’ny 2 ora tolakandro, ora any Centrafrique no hivoaka ny anaran’ireo lohalaharana tamin’ny fifidianana isaky ny sokajy tsirairay. Tsiahivina fa ny tontolon’ny haitarika ara-politika (Polytical Leadership) no misy ny Filoha Malagasy teo aloha Marc Ravalomanana.

Sedra ara-pifidianana ho azy io, ary toa efa tandindon’ny fifidianana 2018 eto Madagasikara. Mitana ny lohalaharana hatrany ao anatin’ny sokajy misy azy ny tenany amin’izao fotoana izao satria raha ny vokatra farany omaly tamin’ny 7 ora hariva, dia 60,83% ny salan’isa azony, ka olona 82 915 no nifidy azy. Faharoa hatrany ny Filoha am-perinasan’i Kenya Uhuru Kenyatta, eo amin’ny salan’isa 36,06%, ka mpifidy 49 143 no nisafidy azy. Mahatratra hatrany amin’ny 33 772 izany ny elanelana eo amin’ny roa tonta, izay tombanana fa sarotra no mbola hahatraran’ity farany io elanelana io. Ho an’ireo mpifaninana hafa kosa dia laharana fahatelo i Ellen Johnson Sirleaf, Filoha Liberianina teo aloha, izay nahazo mpifidy 1568 manome ny salan’isa 1,15%, fahaefatra ny Filohan’ny Economic Freedom Fighters avy atsy Afrika Atsimo Julius Malema nahazo salan’isa 1,13% (mpifidy 1536), fahadimy ny Filohan’i Nigeria Muhammadou Buhari, izay nahazo 0,54% (mpifidy 735), ary fahaenina farany kosa ny Filohan’ny antenimierandoholona any Nigeria Bukola Saraki, izay 0,29% ny salan’isa azony, ka mpifidy 398 no nisafidy azy. Olobe aty Afrika avokoa ireo mifaninana amin’i Marc Ravalomanana ireo, saingy io iaraha-mahita io hoe mbola any aorian’ny antsika, izay maneho fa mahery sy manana ny maha izy azy izy na eto Madagasikara na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka maro no manohana sy mandrisika hatrany.Ny 24 febroary 2018 no fotoana voafaritra hanolorana ny amboara, any Johannesbourg Afrika Atsimo, ka amin’io no hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ireo mpitarika mendrika indrindra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT