Politique

Ravalomanana olon’i Afrika 2017 Hatolotra anio ny amboara


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Hatolotra anio sabotsy 24 febroary any Johannesbourg Afrika Atsimo ny amboara lehibe tamin’ilay fifaninanana hahafantarana izay ho olon’i Afrika 2017, nokarakarain’ny Gazety boky African Leadership Magazine, hoenti-mamoaka ny anaran’ireo olo-malaza eo amin’ny tontolon’ny “leadership” na ny haitarika.

 

Io ilay antsoina hoe « ALM Person of the Year  2017 » natao ny volana novambra-desambra 2017 lasa teo tamin’ny alalan’ny fifidianana tany anaty tranonkala sy ny aterineto. Tsaroan’ny rehetra tsara, fa voatsonga ho mpifaninana i Marc Ravalomanana, ary izy no laharana voalohany teo amin’ny sokajy “Political Leadership”, izany hoe izy no voasafidy ho mpitarika politika mendrika indrindra taty Afrika ho an’ny taona 2017. Olo-malaza miisa 8 no mpandresy, ka isan’ireny ny Filoha Rwandais Paul Kagame, izay filoham-pirenena mendrika tsara laza indrindra ihany koa amin’ny fampandrosoana. Tsy mbola nisy ny fampitam-baovao ofisialy momba ny fandraisana ny amboara. Efa andro vitsy kosa izay no any Afrika Atsimo i Lalao Ravalomanana, ben’ny tanànan’Antananarivo, ka mety izy no handray io amboara lehibe io any an-toerana.

Tena niainany sy nampihariny ny haitarika

Azo porofoina sy tarafina tamin’ny fiainany manontolo na teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana na ny politika sy ny fitantanana firenena ny fahafehezana ny haitarika sy ny fampandrosoana, ka anohanan’ny Malagasy azy mandrak’ankehitriny. Tany amin’ny fanokafana ny orinasa Tiko, dia efa nisongadina sy natokisan’ny mpamatsy vola izy, ka niroborobo sy fanta-daza hatrany ivelany ny orinasa Tiko. Izy no ben’ny tanàna nahavita nampandroso indrindra an’Antananarivo, ka nampiakaran’ny Malagasy azy tamin’ny sehatra ambony kokoa dia ny toeran’ny filoham-pirenena. Nametraka politikam-pampandrosoana mety sy sahaza amin’ny vahoaka Malagasy, dia ny MAP. Efa tena tao anatin’ny fisandratan’ny firenena mihitsy no nadaraboka i Marc  Ravalomanana satria nanelingelina ny tombotsoan’ny hafa ny fitiavan-tanindrazana nananany. Na dia teo aza anefa ny olana isan-karazany sy ny famotehana azy, dia tsy nety tapaka ny rohy nampifandray azy tamin’ny vahoaka, ary io mbola andrandrain’ny maro ho lasa filoha io izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT