Tsy hanao fialantsasatra akory ny fiverenan`Atoa Ravalomanana Marc an-tanindrazana fa hiverina eo amin`ny fitondrana. Efa maro ireo firenena notsidihany ary tanjona amin`izany ny hamerenana ny fampitokisana eo amin’ny mpamatsy vola sy hanamafy ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Betsaka ihany koa ireo masoivoho eto amintsika no nitsidika azy. Tsy vao ela akory no nisy fihaonana tamin`ny ambasadaoron`i Etazonia ary nisy ny dinika nifanaovan`ny roa tonta. Santatry ny fandresena sahady izany satria tsara fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy mpamatsy vola ny tenany ary voalaza ho ``kandidà`` atokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ihany koa. Izy rahateo no voafidy ho olon’i Afrika 2017 amin’ny lafiny fitarihany politika noho izany manana ny lanjany izy maneran-tany. Betsaka ny fanarenana tsy maintsy hatao satria mila mamerina ny firenena amin’ny tanjany fa mahantra ny mpiray tanindrazana, fadiranovana mihitsy ary tsy mendrika ny hahantra toy izao. Ny zava-dehibe ho antsika, dia ny fahaizana manararaotra izany ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy. Miandrandra fanantenana amin’i Dada ny rehetra satria tsaroana tokoa fa maro ny soa azo tamin’izy teo amin’ny fitondrana. Mazava koa amin’izao ny lalan-kizoran'ny fitondrana ankehitriny fa mizotra mankany amin'ny fanilihana ny filoha Ravalomanana ary tsy miafina intsony fa tena miharihary.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.