Politique

Ravalomanana Marc Mila fahasahiana ny fanovana governemanta


  • Talata 23 Febroary 2016

«Tsy tokony hipetraka amiko ny fanontaniana mikasika ny fanovana ny governemanta», hoy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc.

 

Mihazohazo anefa ny filohan’ny Repoblika manoloana ireo mangataka ny hanaovana izany sy ireo mpiara-miasa manodidina mitady hijanona amin’ny toeran’izy ireo. Mila fahasahiana ny fandraisana fanapahan-kevitra tahaka izany, araka ny fanazavany. Vonona foana ny hifanome tanana amin’ny filohan’ny Repoblika anefa ny antoko Tiako I Madagasikara, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny TIM. Mamono tena ny fitondram-panjakana nahazo salan’isa 64% raha betsaka indrindra tamin’ny fifidianana mitady hifehy irery ny fitantanana ny firenena ka tsy misokatra amin’ny fiaraha-miasa, hoy ihany i Dada. Midika ho tsy fisian’ny fifandresen-dahatra sy fifanakalozan-kevitra mantsy izany fihetsika izany. «Lesona goavana hitako tany Inde ary fakan-tahaka ho an’ny mpanao politika Malagasy ny fijoroan’ny mpanohitra manitsy sy mitsikera ny zavatra tsy mety rehetra ataon’ny mpitondra fanjakana fa tsy mba manongana», hoy ny filoham-pirenena teo aloha.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT