Politique

Ravalo sy ny TIM Tsy hahita rariny amin’ny fanjakana


  • Zoma 28 Jolay 2017

Nolavina ny fangatahan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hanatanteraka ny fanamarihana ny faha-15 taonany eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 29 jolay izao.

Toa natao fitaovana nenti-nandrara izany ny zava-niseho tamin’ny 8 jolay nisian’ny olona an’aliny nanara-dia an’i Marc Ravalomanana, ka nihazo an’Analakely sy nanatitra azy tany Faravohitra. Na nisy aza ny didim-pitsarana laharana 59 tamin’ny 7 jolay 2017, izay nanome alalana ny Antoko TIM hiditra tao Mahamasina, dia nanaja ny mpitandro ny filaminana sy tsy nanao an-terisetra mihitsy ny antoko. Notsiahivin’ny antoko tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao nataony omaly fa tsy nisy ny olona naratra, tsy nisy ny fandrobana na fahapotehana fiara na fahasimban-javatra, saingy baomba mandatsa-dranomaso no setriny avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Nohamafisin’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao rahateo fa tsy nisy fahasimban-javatra ary tsy nisy ny fisamborana olona na iray aza satria olon-kendry sy olon’ny filaminana ny TIM sy ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana. Naneho ny alahelony kosa anefa ny antoko omaly fa fanararaotam-pahefana ny fandavana nataon’ny prefektiora. Tsy olon’ny herisetra anefa ny TIM ary mba hisian’ny fitoniana sy ho fanajana ny lalàna dia manaiky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny manampahefana.

 

Mandefitra manana ny rariny

 

Mifarana eo indray aloha ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny TIM raha rahampitso sabotsy 29 jolay no resahina. Mihevi-tena ho nahomby sy nandresy izao ny fitondrana HVM satria voasakana fanindroany i Marc Ravalomanana sy ny antokony, izay niezaka nanara-dalàna hatrany. Mbola porofon’ny jadona sy ny fanitsakitsahan-dalàna no misy satria niaraha-nahita ny fandresen’ny antoko na tamin’ny fitsarana na tany amin’ny filan-kevi-panjakana. Voaporofo kosa anefa fa ny fanjakana no mitady korontana fa tsy arakaraka ny filazana fa hanongam-panjakana sy hanakorontana i Marc Ravalomanana. Henatra ho an’ny fanjakana izao, saingy mpitondra efa maty eritreritra no misy, ka miandry ny rariny ny rehetra. Soa fa efa antomotra ny fifidianana hahafahana manadaraboka ny fitondrana jadona.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT