Tsy mipetra-potsiny fa tena manomana sy miketrika mafy ny hibatana fandresana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 27 mey ho avy izao ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM).
Mandeha ny fifanomezana toromarika mba hampahomby izany, ka omaly ohatra, dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra teo aminy sy ireo kandida solombavambahoaka vitsivitsy nahitana an-dry Hanitra Razafimanantsoa mirotsaka eny amin’ny Boriborintany I eto Antananarivo, Ralambozafimbololona Fetra eny amin’ny Boriborintany faha-5, Todisoa Andriamampandry eny amin’ny Boriborintany faha-6, Fidèle Razarapiera any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka,… Mbola anatin’ny « Pré-campagne » isika amin’izao fotoana izao, ary maro ny hetsika samihafa hoentin’ireo kandida mampahafantatra bebe kokoa ny tenany sy ny ekipa miaraka aminy. Ho an’ny amin’ny Boriborintany faha-6, ohatra, dia nidina ifotony nijery ny olana sy nihaino ny tarainan’ny vahoaka teny Ankazomanga Atsimo ny kandida Todisoa Andriamampandry omaly, izay notsenain’ny mpitarika ny FOKOTIM sy ireo vahoaka marobe no niaraka nitsena sy nanoro ny toerana maharary azy noho ny rano miakatra tsy mivoaka, làlam-bahoaka misy mitady hamefy, vahoaka sarahina tsy fidiny. Andao hojerena izany, hoy ity kandida lohalisitry ny TIM ity. Ho an’ny Boriborintany faha-5 dia hisy kosa anio ny fizahana ara-pahasalamana maimaim-poana arahina fanafody hotanterahin-dRalamambozafimbololona Fetra sy ny ekipany hatao eny Soavimasoandro ho an’ny anio. Mba hanampiana ny olona satria tena sarotra ny fitsaboana amin’izao vaninandro iainantsika izao, ary tsy vao izao rahateo ny tenany no mpanao izany, fa efa ho am-polo taonany no nitondra izay anjara biriky nahafaha-nanampy ny mpiara-belona, ary hitondra ny feony sy hiady ho azy ireo eny amin’ny antenimiera. Miavaka ary tena vonon-kandresy ny kandida natolotry ny antoko TIM manerana an’i Madagasikara tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy hikoso-maso eo anatrehan’ny karazana hetraketraka sy kajikajy politika, ary fanamby goavana hapetraka ny hibata toerana maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.