Manolona ny adihevitra lehibe mahakasika ny mety hisian’ny fifidianana na tsia dia mazava ny hafatra ho an’ny kandidŕ Ravalison Clément Zafisolo atolotry ny antoko AME (Antoko Miombon’Ezaka).
Tsara raha aroso amin’izay ny fifidianana filoham-pirenena mba hivoahantsika amin’ity krizy lavareny ity. Entanina ny olom-pirenena feno taona rehetra ary manan-jo ny hifidy mba handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ho avy. Tafalatsaka anaty fahasahiranana tafahoatra ny vahoaka ary latsaka an-katerena ara-bakiteny ny firenena. Aleo miaritra fandatsaham-bato amin’ny fotoam-pahavaratra toy izay hiaritra izao fijaliam-bahoaka izao mandra-pahatongan’ny volana mey 2014, hahafaha-manatanteraka ny fifidianana indray, hoy ny kandidàn’ny antoko AME. Vonona ny hiatrika fifidianana amin’ny fotoana rehetra ny antoko AME sy ny kandidany, hoy Ravalison Clément, araka ny fanambarana nataony omaly, nefa mitsipaka ny tetika hanemorana ireo tetiandro efa tapaka indray.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.