Politique

Ravalisaona Clément «Hafetsifetsena ny resaka fampihavanam-pirenena»


  • Alakamisy 12 Aprily 2012

Nolaniana tety amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita ny «code d’éthique», hoy ny CST Ravalisaona Clément.

 Nifanarahan’ny rehetra hoe izay izany no iainana amin’ny fanaovana politika. Lalàna mipetraka iny, fa hanao ahoana ny fanatanterahana azy, hoy ity filoha nasionalin’ny Antoko Miombon’Ezaka na AME ity. Ny mahatonga ny olana, hoy ity farany, dia ny antoko politika samy manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena, samy manana ny fiasany, samy manana ny fomba fitaizana ao anatin’ny antoko. Na izany aza, mila taizana hanana toe-panahy amin’ny fandraisana andraikitra any aoriana ny mpikambana ary izay no tena antoko. Fa ny mampalahelo amin’izao fotoana izao, hoy Ravalisaona Clément, dia mitsangana ny antoko satria maika hahazo toerana, indrindra tamin’ity tetezamita ity, izay lasa 300 ny isany ka mivaona any amin’ny tsy izy. Tokony ho mendrika, araka izany, ny mpitarika politika manoloana an’ity “code d’éthique” ity ka hampiseho amin’ny olona fa ny lasa homba ny lasa lalan-kafa indray no hitondrana ny raharaha politika eto amintsika.

Tsy mahagaga anay ny tsy fitovizan-kevitra amin’ny resaka amnistia fa samy manana tombontsoa arovany ny ankolafy tsirairay. Drafitra Afrikanina Tatsimo tsy nisy resaka fanodinkodinam-bola no natolotra antsika fa ny azy fanavakavaham-bolon-koditra nilana famelan-keloka. Fa ny antsika iza no hampihavanina eto ? Ny fijerinay ilay fampihavanam-pirenena dia hafetsifetsena ihany, resaka fitadiavan-toerana, hoy Ravalisaona Clément. Teto tsy nisy fitondrana Repoblikana fa fitondrana nijoro tamin’ny hala-bato ny ankamaroany. Izay no olana nahatonga ny fifanonganana teto foana. Mila jerena haingana !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT